• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gn Vakinankaratra
Image
Vaovao

Zavaboahary arovana : Tra-tehaka ny "baobab" 5 baoritra

13/02/2024 06:18 © Moov

Anisan'ireo zavaboahary arovana sady ahiana ho lany tamingana eto Madagasikara ny Tabihy (Baobab nain / Operculicaria Decaryi).

Omaly 12 febroary, tamin'ny 1ora sy sasany maraina, no saron'ny mpitandro filaminana tao Vakinankaratra ny Tahiby tao anaty baoritra lehibe miisa dimy. Fiara fourgon iray no nosakanan'ny zandary teo amin'ny "Barrage Tsinjony", izay nilaza fa "colis" no nentiny. Rehefa natao nefa ny fisavana dia zavaboahary arovana mbola maitso tsara no tao anaty baoritra. Tsy nisy taratasy fanomezana fahazoan-dalana hitondra ireo harempirenena ireo nefa teny amin'ny mpamily.
Notanana ambalan-tsazy ny fiara sady nogiazana ireo zavaboahary tamin'ny baoritra. Ny mpamily kosa dia natolotra ny sampandraharahan'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy mba hanaovana famotorana, hahafantarana ireo tompon'antoka rehetra.
Entanina ny rehetra hanaja sy hikajy ireo zavaboahary arovana, sady hanome fanampimbaovao ny zandarimaria raha mahatsikaritra tranga mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires