• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Androbe : Malagasy 21 amin’ny 1 000 no voan’ity aretina ity

12/02/2024 16:38 © Moov.Mg

Marihina isaky ny alatsinainy faharoa amin’ny volana febroary ny andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe. Ho an’ity taona ity izany dia androany 12 febroary no anamarihana azy. Aretina mampitahotra ny olona ny androbe ary mbola hodidinina finoanoam-poana isan-karazany, nefa azo tsaboina tsara.

Tsy areti-mifindra

Karazan’aretina any amin’ny loha ny androbe, izay miseho amin’ny alalan’ny fanintona miverimberina. Misy karazany maro ny fisehony. Tsy mamindra izy, tsy manaranaka ary azo tsaboina tsara. Mety mahazo ny olona rehetra ihany koa ny androbe. Eto Madagasikara dia olona miisa 21 ao anatin’ny 1 000 no voan’ity aretina ity, izany hoe manodidina ny 2%-n’ny mponina eto Madagasikara. Na eo aza izany isan’ny olona voakasiky ny aretina androbe izany, dia mbola vitsy ny mahalala ny tena marina momba azy. Misy no mihevitra azy ho aretina avy amin’ny hery hafahafa. Misy koa ireo tsy mahasahy manatona an’ireo olona voany rehefa mihetsika ny aretina. Fihetsika fahita, raha ny eto Madagasikara, ny fanipazana zava-maitso amin’ny marary manao krizy. Tsy misy fiantraikany amin’ny marary anefa ny fanaovana izany, hoy ny fikambanana tsy miankina Humanité et Inclusion, izay isan’ny miady ho an’ny fampiatiana ireo olona mararin’ny androbe.

Azo tsaboina tsara

"’Andao, resena ny androbe", no lohahevitra ho an'ity taona 2024 ity. Azo tsaboina tsara mantsy ity aretina ity. Misy ny fanafody ahafahana manatsara ny fahasalaman’ny marary, arahin’ny toromarika omen’ny dokotera, mba hahafahan’ilay olona miaina ara-dalàna, toy ny olona rehetra. Afaka manohy ny asa fanaony andavanandro ilay olona rehefa araka tsara ny fitsaboana. Raha toa kosa ka tsy tsaboina ny aretina dia mihombo ary izany no mitarika fiankinan-doha amin’ny hafa sy tsy fahafahana miahy tena araka ny tokony ho izy. Ny eny anivon’ny Tobimpahasalamana fototra (CSB II) dia efa afaka mandray an-tanana ireo mararin’ny androbe.

Lire la suite

Articles Similaires