• Cours de change
  • 5079.25 AR
  • |
  • $4429.3 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Tonga nanolotra ny fandaharan’asa fanatanterahana ny PGE ny Praiminisitra

01/02/2024 18:17 © Moov.Mg

Natolotra ny Solombavambahoaka androany, teny amin'ny Lapan'ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, ny fandaharan’asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE), izay nampanantsoana fivoriana tsy ara-potoana ireo Parlemantera.

Fanazavana ny PGE

Nanomboka ny alatsinainy 29 janoary lasa teo ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan'ireo Solombavambahoaka, ho an'ity taona 2024 ity. Lahadinika goavana indrindra tafiditra hodinihina ao anatin'ny fandaharam-potoanan'izy ireo, ny momba ny fandaharan’asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana, izay natolotry ny Praiministra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian androany. Nivondrona tao anaty teboka telo lehibe ny politika fampandrosoana nohazavaina tamin’ireo parlemantera, dia ny mahakasika ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha-olona ; ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ; ary ny fanatsarana ny fitantanana sy ny ady amin’ny kolikoly, araka ireo andry 3 ifotoran'ity fotoam-piasana faharoan'ny filoha Andry Rajoelina ity.

Jery todiky ny 100 andro

Taorian’ny famelabelarana nataon’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta dia ireo filohan’ny vondrona parlemantera indray no nandray anjara fitenenana. Samy nitondra ny fisaorana sy ny fanohanana hatrany ny vinan’ny fitondram-panjakana ny avy amin’ny vondrona tsy miankina sy ny IRD ary ny GPR. Nomarihin’ny avy amin’ny GPR kosa fa maro amin’ireo programan’asa ireo no hotanterahina ato anatin’ny zato andro, ka nangatahin’ireo solombavambahoaka anaty vondrona ny mba handalovan’ireo minisitra tompon’andraikitra eny amin’ny Antenimierampirenena, rehefa vita izay zato andro izay, hanaovana jery todika ny asa notanterahina. Haharitra 12 andro moa, raha lava indrindra, ity fivoriana tsy ara-potoanan'ny Parlemantera ity.

Fandaniana volavolan-drijatenin-dalàna

Ankoatra ny PGE dia isan'ny tafiditra ao anatin'ny lahadinika hifantohan'izy ireo ihany koa ny Fandaniana ny volavolan-drijatenin-dalàna laharana faha 002/2024 tamin'ny 24 janoary 2024 manova ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny sazy omena ireo olona manao habibiana amin’ny fanolanana. Rahampitso zoma 02 febroary 2024 no fotoana voafaritra hiompanana amin’izany. Ankoatra izay dia mbola hisy ihany koa ny fandaniana ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna lf 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, mikasika ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Lire la suite

Articles Similaires