• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Mapio.Net
Image
Vaovao

67ha : Notoranina ny mpamily, nangalarina ny fiara

06/06/2023 10:08 © Midi Madagasikara

Fiara mpitatitra izay mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga no lasan’ny jiolahy.

Nampanantenaina asa ny tompony izay sady mpamily rahateo. Izany dia mahakasika ny fitaterana razana ho any Mahajanga ary alaina eny Ivato. Raikitra ny fifanekena ary dia teny an-dàlana, rehefa mifanandrify amin’ny 67 ha no nosemporina tamin’ny mosoara misy etona mahatorana ny mpamily no sady nambanana basy ihany koa. Teo no tadidin’ilay rangahy farany ary dia teny akaikin’Ambodivona izy avy eo vao nahatsiaro saina. Tsy hita ny fiara nanomboka teo ary nanaovany antso avo ho an’izay mahita ity fiara marika Crafter ity mba hampandre maika ny mpitandro ny filaminana. Miloko mena ny fiara ary misy marika soratra lehibe VolksWagen ny plastika anoloana raha araka ny sary naparitan’ny tompony. Efa nisy ihany fa tsy dia faheno firy ity endrika halatra fiara ity. Matetika mantsy fiara mipetraka amin’ny toerana iray no tena lasibatry ny olon-dratsy. Izao indray dia ny mpamily mihitsy no nanaovana herisetra mba hangalàna ny fananany. Mivoatra hatrany ny fanaovan-dratsy eto an-drenivohitra ary mila mailo manaraka izany koa ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo