• Cours de change
  • 4650.19 AR
  • |
  • $4407.42 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Bizina rongony : Telolahy nosamborin’ny zandary tao Ampahimanga

23/01/2023 19:17 © Midi Madagasikara

Taorian’ny fanomezam-baovao azon’ny zandary, mahakasika ny fisian’ny tokantrano roa mpamatsy rongony iny faritra Ambohimanambola iny dia niroso tamin’ny fisavàna izany ireo zandary, rehefa nahazo alalàna avy tamin’ny tonian’ny mpampanoa lalàna teny Anosy.

Tokantrano roa no fantatra fa niantefan’izay ahiahy izay, izay samy tao amin’ny fokontany Ampahimanga, kaominina Ambohimambola, distrikan’Antananarivo Avaradrano avokoa.

Nandritra ny fisavana dia voalaza fa nahitana fonosan-drongony maromaro, nahatratra teo amin’ny 21 isa teo, tao amin’ilay tokantrano voalohany, niaraka tamin’ny voan-drongony tokony ho iray tanana. Tao amin’ilay tokantrano faharoa kosa dia nisy toy izany ihany koa, saingy hoe efa tsy nisy afa-tsy dimy sisa ireo fonosan-drongony hita tao.

Nosamborina avy hatrany teo no ho eo ihany moa ireo tompon-trano, lehilahy miisa roa. Ankoatra azy roa lahy ireto anefa, dia nisy mpanjifa iray, sendra ny « mpaka kitay », tsy nahafantatra ny fisian’ny zandary tao an-toerana, ka nisosososo handeha hividy « entana ». Noraisim-potsiny ihany koa ilaio. Samy nentina natao andrimaso tany tamin’ny biraon’ny zandary avokoa moa ireto farany ary natolotra ny fampanoavana ny faran’ny herinandro lasa teo. Samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa, araka fampitam-baovao azo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo