Aro amin’ny tondra-drano : Hodiovina ny lakan-drano mirefy 35Km eto Antananarivo
Fanamby goavana ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny ady amin’ny tondra-drano. Manomboka manadio ny lakan-drano mpamoaka rano maloto izy ireo amin’izao fotoana izao, eny Ankadimbahoaka. Mitotaly eo amin’ny 35Km eo io mbola ho dioviana manerana ny tanàna io mba hialana amin’izay fiakaran’ny rano izay.
Asa mivaly sakafo
Asa tanamaro valiana sakafo no hanatanterahana ity fanadiovana ity. Lakan-drano lehibe mirefy 6 km ao amin’ny Boriborintany fahefatra no ezahina ho diovina amin’ity herinandro ity. Raha ny fanazavan’ny Delegen’ny boriborintany dia olona miisa 165 no manatanteraka ny asa. « Toy ny efa natao rehetra dia asa mivaly sakafo na vivres io asa tanterahina io. Ho dioviana ao anatin’izany ny lakan-drano GR mba hahafahana mampandeha ny rano araka ny tokony ho izy rehefa fotoan’ny oram-be », hoy ny Delege an’ny Boriborintany fahefatra. Hitohy amin’ny boriborintany hafa moa ity fanadiovana ity satria mitotaly 35km ny lakan-drano vinavinaina ho diovina. Ao anatin’izany io Lakan-drano GR io sy ny Andriantany. Hiara-hiasa ao anatin’izany ihany koa ny Kaominina, ny BNGRC, ny APIPA ary ny SMA.
Hamafisina ny fampiharana ny sazy
Isan’ny tonga nijery ny asa fanadiovana teny amin’io lakan-drano GR io ny Ben’ny tanàna ka nandritra izany no nanamafisany fa ho hentitra ny tenany amin’ny fampiharana ny sazy. « Tsy vitan’olon-tokana ny fanadiovana ireo lakan-drano. Tokony samy manana ny andraikiny amin’izany ny rehetra. Ny mponina manamorona azy tsy manary fako any anatiny any ary ny Kaominina kosa hanaramaso izany sy hampihatra ny sazy mifanaraka amin’izay », hoy ny Ben’ny tanàna, Harilala Ramanantsoa. Olana goavana ka matetika mampiakatra ny rano amin’ireo lakan-drano 35km ireo rehefa fahavaratra ny fahalotoana sy fahatsetsemany ka izay indrindra no antony tsy maintsy hampiharana ny sazy. Hanampy izany ezaka izany ihany koa ny fampivoriana ny mponina ny amin’ny fifanajana sy ny fifanampiana mba hialana amin’io olana miverina matetika io.