Ikongo : Mponina 4 136 isa no noraisin’ny UNICEF an-tanana, ny 34% amin’ireo no voan’ny tazomoka
Nahitana fihenany hatrany amin’ny 50% ny tranga tazomoka ao amin'ny Distrikan'Ikongo nanomboka ny voalohan'ny volana jolay, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka androany 30 jolay 2025. Mpiara-miombona antoka maromaro no miaraka mifandrimbona amin’ny fitondram-panjakana, amin’ny famongorana ity aretina ity. Isan’izany ny UNICEF.
Hetsika hamehana hiadiana amin’ny tazomoka
Tamin’ny volana jona 2025 ny Tahirin’ny firenena mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) no nanomboka ny hetsika hamehana ho entina miady amin’ny aretina tazomoka any Ikongo, Faritra Fitovinany. Mandritra ny telo volana no hanatanterahana izany hetsika izany, ka hifarana amin’io volana aogositra ho avy io. Asa tanterahina ao anatin’izany ny fanatonana ireo mponina amin’ny alalan’ny « clinique mobile », ny fanentanana azy ireo amin’ny fisorohana ny aretina ary ihany koa ny tohana ara-pitsaboana, amin’ny alalan’ny famatsiana fanafody. Ireo faritra ambanivohitra, isan’ny tena voakasiky ny fiparitahanny aretina, nefa saro-dalana, no tena niasan’ny ekipan’ny UNICEF. Nizara ho ekipa roa izy ireo, ka mpiasan’ny fahasalamana telo no mandrafitra ny ekipa iray, izay nandeha môtô nanatona ireo fokontany sy kaominina tena voakasika, dia Ambatofotsy, Belemoka, Ikongo ary Maromiandra.
Ankoatra ny fandraisana an-tanana ireo olona tratran’ny tazomoka, dia nanatanteraka fizaham-pahasalamana hafa ihany koa ireto ekipan’ny UNICEF ireto, nojerena manokana ny ankizy, nisy ny fanaovam-baksiny, ny fitiliana ny tsifanjariantsakafo, ary koa ny fampisafoana ireo vehivavy bevohoka.
Tohana ara-panafody
Nandritra ireo fidinana notanterahin’ny ekipan’ny UNICEF tamin’ny volana jona sy jolay, dia ankizivavy 1.498 isa, ankizilahy 864 isa ary olon-dehibe 1.774 isa no voaray an-tanana ara-pitsaboana, noho ny aretina isan-karazany. Ny 34% tamin’ireo, no nisitraka fitsaboana ny aretina tazomoka, izany hoe : ankizy sy zatovo 1.180 isa sy olon-dehibe 219 isa. Nanolotra fanafody iadiana amin’ny tazomoka sy nanampy tamin’ny fandefasana izany tany an-toerana ihany koa ny UNICEF, ka heverina fa hahafahana mameno ny filàn’ny olona 13.000 isa, mandritra ny telo volana, izany fanafody izany. Ireo ankizy, zatovo ary vehivavy bevohoka, any amin’ireo toerana saro-dalana, no kendrena hisitraka izany voalohany.
Tetsy an-daniny, nisy ny fanentanana natao tamin’ireo mponina, momba ireo fihetsika tsara tokony atao ho fisorohana ny tazomoka, toy ny fampiasana ny lay misy odimoka, ny fanadiovana ireo lobolobo fanatodizan’ny moka, ny famantarana mialoha ireo trangan’aretina, ny fanatonana haingana ny tobim-pahasalamana rehefa miseho ireo tranga. Nalefa tamin’ny onjam-peo ihany koa izany fanentanana izany, mba hahakasika olona maro.