Fanjariantsakafo : Mila mizatra manovaova ny sakafo hanina ny Malagasy, hoy ny cheffe Moretti
Olana iray, tafiditra ao anatin’ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara, ny tsy fahampian’ireo singa mpamelona isan-karazany, toy ny fera, zinc, ioda, vitamina A sy vitamina D. Ankoatra ny tsy fahampiana, dia ny tsy fihinanana sakafo miovaova no isan’ny mahatonga ity olana ity.
Tsy fahampiana singa mpamelona
Araka ny valin’ny ny fanadihadiana momba ny tsy fahampian’ny singa mpamelona eto Madagasi-kara, natao tamin’ny taona 2024, (ENCM 2024), dia azo lazaina ho olan’ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika ny tsy fahampian-dra (anémie). Ny 42% amin’ireo zaza 6 hatramin’ny 59 volana, izay nanaovana fanadihadiana, no tratran’izany, ka ny 17% amin’ireo dia tsy ampy fera ihany koa. Ny 10%-n’ny zatovovavy ihany koa no tsy ampy ra, miaraka amin’ny tsy fahampiana fera ao anaty vatana. Araka ity fanadihadiana ENCM 2024 ity, dia ny faritra afovoan-tany no tena ahitana tranga tsy fahampian-dra lalina.
Santionany amin’ny endrika tsy fahampiana singa mpamelona misy eto Madagasikara ihany ireo, fa mbola eo ihany koa, ohatra, ny tsy fahampiana vitamina A eo amin’ny zaza 6 hatramin’ny 59 volana, izay efa nahitam-pidinany, amin’ny ankapobeny, saingy mbola tena manjaka kosa, any amin’ny Faritra sasany. Raha ny tsy fahampiana kalsiôma kosa, dia ny 90% tamin’ireo olona nanaovana fanadihadiana no voakasik’izany.
Mihinana sakafo miovaova
Tokony ho azo avy amin’ny sakafo hanina ireo singa mpamelona ilain’ny vatana ireo. Noho izany indrindra dia tena ilaina ny fanovaovana ny sakafo hanina, araka ny fanazavana nentin’ny cheffe Henintsoa Moretti, izay matianina amin'ny fahandroana sakafo, masoivohon’ny nahandro malagasy (Ambassadrice de la gastronomie Malagasy), nandritra ny famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny UNICEF sy ny REMAPSEN Madagasikara teny Andraharo, ny alatsinainy 28 jolay 2025. Araka ny nambarany dia betsaka ireo singa fototra ilain’ny fahasalaman’ny vatana no sady miantoka ny faharanitan-tsaina. Ohatra nomeny ny hoe : marefo ny taolana, ratsy ny nify, raha toa ka tsy ampy ny kalsiôma ao anatin’ny vatana. Manana karazan-tsakafo betsaka isika eto Madagasikara, hoy ny cheffe Henintsoa Moretti, fa mila mahay mampiasa ny vokatra sy ny akora isan-karazany, mba hahafahana misitraka ilay sakafo miovaova.
Ao anatin’izay fampizarana ny olona hihinana sakafo maroloko izay, dia manatanteraka ny tetikasa « Lakozia mitety sekoly », miaraka amin’ny UNICEF, ny cheffe Henintsoa Moretti. Efa 2 taona izao no nanatontosana ity tetikasa ity. Mandritra izany dia ampianarina mahandro izay vokatra misy eo an-toerana ny ankizikely, izay nomarihin’ity mpahay lakozia ity fa samy manana ny mampiavaka azy ny Faritra 23 manerana an’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny kilalao no ampitana amin’ny ankizy ny fahaizana mahandro, araka ny fanazavany. Efa nahitana vokatra izany, hoy izy, na dia fanovana kely amin’ny fomba fihinanana sakafo iray ihany aza.