• Cours de change
  • 5117.22 AR
  • |
  • $4436.63 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny kolontsaina : Nampiofanina ireo ben’ny tanàna miisa 27 hamelona indray ny CLAC

30/07/2025 10:46 © Moov

Notanterahina teto Antananarivo, nanomboka omaly, ny fanamafisana ny fahaizan’ireo ben’ny tanàna 27 ao amin’ny tambajotra CLAC. Notarihin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, MARA Volamiranty Donna, sy ny Masoivohon’ny OIF aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, Traian Laurențiu Hristea, izany.

Fanavaozana sy fandrindrana nasionaly

Fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Governemanta no namelomana indray ny programa CLAC (Centres de Lecture et d’Animation Culturelle), izay andry iray iankinan’ny fivelaran’ny kolontsaina sy ny fahalalana eny ifotony. Marihina fa Kaominina miisa 27 amin’izao fotoana izao no efa manana ity toerana ity. Araka izany, nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo ben’ny tanàna, mpikambana mavitrika ao amin’ny tambajotra CLAC, ireo, mba hamelomaso indray izany.
Mazava ny tanjon’ny fampiofanana, dia ny hanome aina vaovao ho an’ireo CLAC manerana an’i Madagasikara, sy hahatonga azy ho ivon-toeran’ny fampiroboroboana ny maha-olompirenena, ny fizarana fahalalana ary ny firaisankina ara-tsosialy. Ankoatra ,ny toerana famakiana boky, izay nahalalan’ny maro azy mantsy dia sehatra iray hahafahana mandalina kolontsaina maro isan-karazany ao. Toerana hampahalalana mikasika ny fahalalam-pomba sy ny fomba fiaina ihany koa.

Fiaraha-miasa miompana amin’ny fampandrosoana

Miantehitra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nasionaly ary eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ity tetikasa ity. Nambaran’ny masoivohon’ny OIF fa manome tohana feno amin’ny fivelaran’ny tambajotra CLAC ny izy ireo, satria mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana lovain-jafy amin’ny alalan’ny vaky boky sy hetsika ara-kolontsaina. Izany no antony hampiofanana ireo ben’ny tanàna mba hanaparitaka ny fahaiza-manaony. Nanamafy ny Ambasadaoro avy amin’ny OIF, izay nilaza fa “tsy ampy ny fananana boky sy fitaovana fotsiny, fa ilaina ny fanofanana ireo mpitantana sy mpikarakara, mba ho velona sy hahazo aina ireo foibe CLAC.”
Tombontsoa ho an’ny fiarahamonina manontolo ny fahaveloman’ireo CLAC, satria mihoatra lavitra noho ny toerana fitehirizana boky fotsiny, fa lasa sehatra hanehoana sy hanabeazana ny olom-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires