• Cours de change
  • 5117.22 AR
  • |
  • $4436.63 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Ady amin’ny halatra trondro : Manamafy ny fahaizany ny faritra Amoron’i Mania na dia efa fitaratra aza

30/07/2025 15:53 © Moov

Nisy ny atrikasa hikatsahana vahaolana mahakasika ny halatra trondro ao amin’ny faritra, omaly. Voalaza fa fitaratra amin’ny ady amin’ny halatra trondro, ny faritra Amoron’i Mania, araka ny nambaran’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) ao an-toerana. Nohamafisina hatrany anefa ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hampitomboana ny vokatry ny asa.

Nikaroka vahaolana

Araka ny fanadihadiana dia mahatratra 14% eo eo ny tahan’ny halatra trondro eto amintsika, hoy ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Miteraka fatiantoka lehibe ho an’ireo mpiompy trondro sy ny fiaraha-monina isaky ny toerana anefa izy ireo.
Anisan’ny anton’ny halatra voalaza ny tsy fahampian’ny fiarovana ny toerana fiompiana trondro, ny tsy fisian’ny lalàna henjana manohitra ny halatra ary ny tsy fahampian’ny fahalalàna eo amin’ny fiaraha-monina momba ny maha-zava-dehibe ny fiompiana trondro ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ankoatra izany, ny fahantrana sy ny tsy fahampian’ny asa dia mampitombo ny mety hisian’ny halatra trondro ihany koa satria maro no manao izany ho fomba hivelomana. Antom-pisian’ity atrikasa ity araka izany ny hikaro-bahaolana, mba hahafahana mampihena ny halatra. Na dia efa tsara aza anefa ny ezaka hataon’ny faritra Amoron’i Mania amin’ny ady amin’izany dia nohamafisina hatrany ny fomba fiasa. Izany dia mba hampitomboana hatrany ny fidiram-bolan’ireo tantsaha.

Politikam-panjakana

Ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Amoron’i Mania, Rakotomandimby Désiré, izay nisolo-tena ny Governoran’ny Faritra, dia nanamafy fa ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro dia mifamatotra akaiky amin’ny politikam-panjakana izay mikendry ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ho amin’izany fampandrosoana izany dia ilaina ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ ny fanjakana, ny mpiara-miombon’antoka ary ny fiaraha-monina mba hahazoana vokatra maharitra. Ireo rehetra ireo no niara-nanatrika ny atrikasa.
Etsy andaniny, ny trondro rahateo dia loharano lehibe amin’ny proteinina ka hantenaina fa hitondro voka-tsoa eo amin’ny seha-pihariana fiompiana trondro ny atrikasa.

Lire la suite

Articles Similaires