Seha-pihariana omby : Harenina ny fomba fiompiana omby any amin’ny faritra Atsimo ho amin’ny fampandrosoana maharitra
Notanterahina tao amin'ny Faritra Anôsy ny atrikasa mikasika ny « Ady hevitra stratejika ho fanamafisana sy fanarenana ny seha-pihariana omby any amin’ny faritra Atsimo » ny 28 sy 29 Novambra 2024 teo.
Fotoana nifampidinihana tamin’ny mpiantsehatra ifotony, notarihan’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio, io fotoana io. Tanjona ny hikarohana paikady hanarenana ity sehatra ity mba hahatratrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra.
Hampifanarahana amin’ny toetr’andro ny fiompiana
Nivoitra nandritra ny fifampiresahana teo amin’ny Minisitra sy ireo mpiompy ny vahaolana mifandraika amin'ny fiompiana omby. Vahaolana naroso ny fijerena ny lafin’ny fiompiana, famokarana ary ny fahasalaman’ny biby. Ao anatin’izany ny fananganana toeram-piompiana nohatsaraina hifanaraka amin’ny filàn’ny sehatra tsy miankina sy ny fanamafisana ny traikefa sy fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny MINAE sy ny APPSA eny ifotony. Hanampy izany ny fananganana toerana fisotroan-drano ho an’ny biby fiompy. Isan’ny zava-dehibe ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiompiana omby amin’ny alalan’ny fampidirana karazana omby mahomby kokoa. Eo ihany koa anefa ny fanamorana ny fahazoan’ny mpiompy tany ho an’ny fiompiana. Isan’ny voaresaka ihany koa ny fanamafisana ny fisorohana aretina amin’ny biby fiompy, fampandehanana ireo laboratoara ara-pahasalamana ho an’ny biby fiompy eny amin’ny faritra, fanamorana ny fahazoan’ny mpiompy vaksiny ho an’ny biby fiompy. Hanampy ireo rehetra ireo ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ny teknikan’ny fambolena voly fanampin-tsakafo ho an’ny biby fiompy mifanaraka amin’ny toetr’andro any Atsimo.
Fampiroboroboana ny fiompiana amin’ny ankapobeny
Raha ny fambolena no matetika voaresaka ny fampivoarana azy dia hovelarina ihany koa ny momba ny fiompiana amin’izao. Hifantoka kokoa amin’ny fiompiana omby ity ho an’ny faritra Atsimo ity. Nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ireo tetikasa sy andraikitra mifandraika amin’ny fiompiana, izay matetika mbola tsy ampy fampahafantarana raha oharina amin’ny fambolena izany. Hotanterahina amin’ny alalan’ny fitsidihana sy fifanakalozana mba hampisongadina ny asa fiompiana ao anatin’ny tetikasan’ny FSRP izany. Nampahafantarina ny mpiantsehatra ireo sehatra misy vahaolana sy tombontsoa ao anatin’ny fiompiana nandritra ny fihaonana.