• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère Des Mines
Image
Vaovao

Faritra Menabe : Noentanina amin'ny fametrahana rojom-mpamatsiana volamena tomponandraikitra ireo mpitrandraka

03/12/2024 12:37 © Moov

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa fanentanana ho firosoana tsikelikely amin'ny fametrahana rojom-pamatsiana volamena tomponandraikitra na ny "Chaîne d'approvisionnement en or responsable". Ny delegasiona avy amin'ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany foibe sy ny Fitaleavam-paritra ao Menabe no nitarika izany. Nandray anjara kosa ireo mpisehatra, nahitana ny mpanivana, ny mpanangona, ny mpitrandraka volamena amin'ny teknika artizanaly, ny mpanodina, ary ny toby fivarotam-bolamena.

Natomboka tamin’ireo toerana manan-karena volamena

Tao amin'ny Kaominina Dabolava, Miandrivazo ary Andranomainty no nanombohana ny fanentanana. Ireo toerana ireo izay anisan’ny manan-karena volamena avokoa ary maro mpisehatra rahateo. Fampahafantarana sy fanampim-panazavana tamin'ireo mpisehatra volamena mba hisarihana azy ireo tsikelikely hiditra amin'ny fampanarahan-dalàna ity seha-pihariana ity no natao tamin’izany. Tanjona ny hampahomby ny fanamby hilofosana dia ny hoe "volamena tsara tantana, volamena tomponandraikitra". Anisan'ny tombony azo amin'ny fametrahana ity rojom-pamatsiana volamena tomponandraikitra ity ohatra ny hahafahan'ny mpiantsehatra rehetra sy ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary ny Fanjakàna Foibe misitraka ny fananana Volamena.

Fiarovana ny tontolo iainana sy ny lalàn’ny fitrandrahana

Nifarimbona tamin’ny fanatanterahana izany ny avy ao amin’ny Ministera sy ireo tompon’andraikitra samihafa toy ny Police des Mines. Nivoitra nandritra ny fifampidinihana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny lalàn’ny fitrandrahana tokony arahin’ny tsirairay. Araka izany, nitondrana fanazavana momba ny lalàna manankery mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny fampanarahan-dalàna ny sehatr’asa volamena ary indrindra ny fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana artizanaly. Ity farany ity izay fomba fiasan’ny ankamaroan’ireo mpitrandraka any an-toerana.
Isan’ny zava-dehibe ihany koa ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana sy ny maha olona amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ka hahazoan’ny isam-batan’olona tombony na ireo taranaka any aoriana aza. Nanampy izany ihany koa ny ady amin’ny kolikoly amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ary ny fandikan-dalàna eo amin’ny sehatra sy ireo sazy mifandraika amin’izany. Ireo rehetra ireo izay natao mba hahafahana mifehy ny fitrandrahana ka hananana volamena ampy ho an’ny taranaka mifandimby.

Lire la suite

Articles Similaires