• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Famarinana olombelona : Tambazotra iray mandefa vehivavy manambady vahiny voasaron’ny Zandary

03/12/2024 14:31 © Moov

Saron’ny Zandarin’ny Kaompania Aéroport Ivato ity tambazotra mpandefa vehivavy manambady vazaha iray. Vehivavy dimy no natolotra ny fitsarana ka notanana am-ponja eny Antanimora avokoa izy rehetra. Voasakana teo Ivato kosa ireo vehivavy Malagasy izay saika havarina na amidy.

Tambazotra ahitana vehivavy teratany vahiny sy malagasy

Tambazotra lehibe mihitsy ity mpandefa tovovavy any ivelany ity. Raha ny tatitry ny Zandary nanao ny fanadihadiana dia fiaraha-miasan’ny vehivavy malagasy sy vahiny ny ao anatin’ny tambazotra. Fantatra ireo mpikarakara eto Madagasikara ka izao nosamborina avy hatrany izao. « Vehivavy manana ny asa sy andraikitra ambony no miaraka miasa amin'ireo Malagasy mpitady vehivavy sy mpikarakara antontan-taratasy », hoy ny tatitry ny Zandary. Misy koa ireo any ivelany izay mpitady vazaha sy mpanelanelana. Vokatr’izany, namoahana didy fangatahana fisamborana iraisam-pirenena ihany koa ireo mpiray tsikombakomba monina any ivelany izay mpitady vazaha sy mpandray ireo tovovavy.

Fampanantenana poakaty sy fakana volabe

Miseho amin’ny endrika maro samihafa ity famarinana olombelona ity eto Madagasikara. Ho an’ity tambazotra ity kosa dia fampanantenana poakaty no handreseny lahatra ireo vehivavy maniry hanambady vazaha. Hamidin’izy ireo hatramin’ny 25 tapitrisa rehefa izany ireo tovovavy. Mifanohitra amin’izany anefa no hiainan’ireto farany rehefa tonga any ivelany. Fijaliana tsy roa amantany no miandry ireo izay lasa any. Ao ireo manambady lahiantitra, tsy vady iray ihany koa anefa no vadian’izy ireo ary miaritra herisetra ara-nofo, ara-batana, ara-tsaina. Mbola misitri-belona sy voageja pasipaoro ary mitondra takaitra mihitsy aza. Tsy avela hifandray amin'ireo ray aman-dreny sy havana na any ivelany na eto Madagasikara ary tsy omena finday. Misy ireo mamoy ny ainy mihitsy. Ankoatra izay anefa dia mbola sady hangalan’izy ireo vola be ihany koa ny Ray aman-dRenin’ireo tovovavy ireto. Nitaraina tamin’ny mpitandro filaminana ireo voasoloky ka izao nanokafana fanadihadiana izao. Nody ventiny ny rano nantsakaina tamin’izany.

Fiaraha-miasana sampana samihafa

Isan’ny mbola ady lehibe eto Madagasikara ity loza ity. Araka izany, miray hina ny sampan-draharaha rehetra miady amin’ny famarinana olombelona ho famongorana azy. Raha tamin’ity raharaha iray ity izao dia niara-nisalahy tamin’ny Zandary ny Birao nasionaly miady amin'ny famarinana olona izay ao amin'ny fiadidiana ny Piraiminisitra (BNLTEH Primature) ary ihany koa ireo Masoivoho vahiny tamin'ny fanamorana ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires