• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ywam Ships
Image
Vaovao

Sambo hôpitaly Island Reach : Hiantsona eto Madagasikara mandritra ny 20 taona

03/12/2024 15:33 © Moov.Mg

Nigadona omaly 2 desambra 2024, tao amin’ny seranan-tsambon'Antsiranana, ny sambo hôpitaly antsoina hoe : Island Reach an'ny Fikambanana ara-pinoana YWAM Ships Suisse. Hampisitraka fitsaboana ireo mponina sahirana no tena antony hiantsonany eto Madagasikara.

Sambo mpiady taloha

Sambo lehibe mirefy 24 metatra ny Island Reach ary manana sakany mirefy 6 metatra. Miisa 5 ny ekipa mpanamory azy ary hisy mpitsabo miisa 5 hafa koa hanampy azy ireo, rehefa tena manomboka ny asa fitsaboana hotanterahiny. Tamin’ny taona 2021 ny fikambanana YWAM Ships Suisse no nividy ity sambo mpiady taloha ity. Nandritra ny 3 taona kosa no nanamboarana sy namadihana azy ho lasa sambo hôpitaly, teo amin’ny seranan-tsambo avaratra ao Pays de Galles, any Royaume-Uni. Tao rahateo no niaingany, nihazo an’i Madagasikara, ny 30 septambra 2024.

Araka ny fampitam-baovaon’ny Faritra DIANA dia tsy handalo fotsiny ny Island Reach, fa hiantsona eto Madagasikara mandritra ny 20 taona be izao. Ireo mponina sahirana mipetraka amoron-dranomasina sy lavitra toeram-pitsaboana no kendren’ny fikambanana YWAM Ships hisitraka ny fitsaboana hatolotr’izy ireo, amin’ny alalan’ity sambo hôpitaly ity.

Hanomboka tsy ho ela ny fitsaboana

Noraisina tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny Island Reach, omaly, lanonana natrehin’ny tale jeneralin'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, Rakotonavalona Rivomalala ; ny sekretera jeneralin'ny Faritra DIANA, Jacques Benjamin Picot, izay nisolo tena ny Governora, sy ny sekretera jeneralin'ny prefektioran’Antsiranana, Hermina Jahdà Tsirinary, nisolo tena ny Prefen’Antsiranana. Natomboka tamin'ny vavaka ny lanonana tsotra nentina nandray ity sambo hôpitaly ity, ary narahin'ny kabary nifandimbiasana. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fitsidihana ny tao anatin'ny sambo ireo manam-pahefana nasaina.

Araka ny fantatra dia ny 21 desambra izao no fanombohana amin’ny fomba ôfisialy ny tolotra ara-pitsaboana hatolotry ny YWAM Ships ao amin’ny sambo Island Reach.

Lire la suite

Articles Similaires