Hetsika « Fijery hafa » : Sampam-piofanana miisa 13 ho an’ny olona miisa 11 440 tao Antsirabe
Nitohy tany Antsirabe indray ny hetsika « Fijery hafa » izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Sampam-piofanana miisa 13 no nisoratan’izy ireo anarana ary miisa 11 440 kosa ireo mpisitraka. Aharitra iray volana ny fianarana izay ahazoana Certificat ary afaka mbola mandalina kosa aorian’io fotoana io.
Sampam-piofanana marolafy
Efa liana amin’ny fampiofanana isan-karazany ihany koa ireo tanoran’ny faritra Vakinankaratra. Nandritra ity fandraisana ny anaran’ireo izay te hiofana ity dia miisa 13 ary amin’ny karazany maro ireo fiofanana ho atolotra. Ao anatin’izany ny fanamboarana mofomamy izay hositrahin’ny olona miisa 1805. Fikirakirana hazo miisa 294 ary fikirakirana vy miisa 568. Teo ihany koa ny fanamboarana savony sy labozia ho an’olona miisa 1 005 sy ny fambolena legioma ho an’olona miisa 476 ary ny fiompiana akoho gasy sy, poulet de chair, mpanatody lava, kisoa ary bitro ho an’olona miisa 1 446. Nisy ihany koa anefa ireo liana tamin’ny sehatry ny lamaody toy ny fanjairana sy ny fanaovana hoho, hositrahin’ny olona miisa 1 808. Teo ihany koa ny fanodinana ronono hatolotra ho an’olona miisa 1 240. Tsy ambakan’izany ny manodidina ny informatika sy ny as amifandray amin’izany, nahaliana olona 1 722. Eo ihany koa ny asa vaventy ho an’olona miisa 532 ary ny fiofanana samihafa ho an’olona miisa 544. Isan’ny nanamarika ity tao Antsirabe ity ny fahalianan’ny vehivavy amin’ny fiofanana.
Vahaolana ho an’ny velon-tena
Manampy ny tanora amin'ny fiatrehana ny tontolon’ny asa, ny fahazoana asa mendrika ary indrindra afaka misokatra amin'ny famoronana asa avy hatrany ny sehatry ny fampiofanana arak'asa. Tsy araky ny fahafahan'ny rehetra anefa matetika ny akamaroan'ireny saram-pampiofanana ireny, maro ihany koa ny mety ho sakana. Izany indrindra no anton’ity hetsika ity. Mandroso vahaolana hatrany ny Fitondram-panjakana ary hamorain'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak'asa ny fahafahan'ny daholobe manaraka karazana fiofanana izay atolotra maimaimpoana. Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly talata 3 desambra ity hetsika ho an’ny faritra Vakinankaratra ity.