Fanondranana harem-pirenena tany Thaïlande : Olona 3 no karohin'ny Interpol
Efa misy no tratra sy nidoboka am-ponja, tamin'ireo mpiray tsikombakomba tamin'ny fanondranana ireo varika sy sokatra, izay tratra tany Thaïlande tamin'ny volana mey lasa teo. Misy olona telo kosa no karohina eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Heloka iraisam-pirenena
Heloka iraisam-pirenena ity fanondranana biby arovana an-tsokosoko tany Thaïlande ity, satria tambajotra iraisam-pirenena no nanatanteraka azy, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, nandritra ny fitsenana ny fahatongavan'ny andiany voalohany tamin'ireo varika nampodiana teto Madagasikara, omaly 1 desambra 2024, teny Ivato. Fahatrarana fanondranana an-tsokosoko goavana indrindra ihany koa izy ity, na ho an'ny firenena malagasy, na ho an'i Thaïlande. Olona miisa 9 amin'ireo voarohirohy amin'ity raharaha ity ankehitriny no efa nidoboka am-ponja eto amintsika ary miisa 6 kosa no migadra any Thaïlande. Ankoatra izay dia misy olona miisa 3 mbola karohina, izay efa nahazo ilay antsoina hoe : "notice rouge" eo anivon’ny Interpol, izany hoe : raha vao mandalo sisin-tany izy ireo dia misy ny fanairana azon'ny Fanjakana malagasy sy ny any Thaïlande, araka ny fanazavan'ny minisitra.
Fifampiresahana naharitra
Valo volana aty aorian'ny nahatrarana ireo biby tany Thaïlande vao tafaverina eto Madagasikara ny ampahany voalohany amin'izy ireo. Nanazava i Fontaine Max Andonirina, fa maro ny dingana nolalovana, izay vao tanteraka izao fampodiana ireo varika izao. Araka ny fanazavany dia efa nandeha tany thaïlande ny tenany, tamin’ny volana mey, nifampiresaka tamin’ireo tomponandraikitra any an-toerana. Efa nisy ihany koa ny fahatongavan’ny delegasiônina avy any Thaïlande, teto amintsika. Mbola nitohy ny fifampiresahana, tany Baku Azerbaïdjan, nandritra ny fanatrehana ny COP29, tamin’iny volana desambra iny, ary efa nisy ihany koa ny dinika nifanaovana tany Afrika Atsimo. Tsy vitan’ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko ity tranga ity, hoy hatrany ny fanazavana, fa tafiditra ao anatiny ihany koa ny famotsiam-bola sy ny kolikoly. Araka izany, eto Madagasikara dia ny Tendrom-pitsarana iadiana amin'ny kolikoly (PAC) no mandray an-tanana ny fanadihadiana. Any Thaïlande kosa dia ny « département des investigations spéciales » no manatanteraka izany.
Araka izany, fifanoloran-tanan’ny sehatra maro samihafa, eto an-toerana sy iraisam-pirenena, no nahafahana nampody ireto varika ireto, sy ireo biby hafa ambiny, izay mbola ho avy tsy ho ela. Nomarihin’ny minisitra fa maimaim-poana no nitondran’ny kaompaniam-pitaterana Qatar Airways sy Airlink ireo varika, mandrapahatongan’izy ireo teto Madagasikara.