• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Angovo azo havaozina : CSB miisa 500 hisitraka herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro amin’ity 2024 ity

02/12/2024 10:20 © Moov

Miisa 400 ireo CSB manerana ny Nosy efa misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro. Vinavina ny hampisitraka izany amin’ny CSB miisa 500 mialoha ny faran’ity taona ity.

Efa mandroso ny ezaka raha ny CSB ao Toliara II no nisitraka izany farany, ny faran’ny herinandro teo. Ny tao amin'ny Kaominina Analamisampy sy Tsianisiha no nahazo izany.

Hanatsarana ny fitsaboana

Isan’ny antony iray manaratsy ny fandraisana an-tanana ireo marary ny tsy fahampiana herinaratra amin’ireny toeram-pitsaboana ireny. Izany no nahatonga ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo manao ity ezaka ity. Takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro manana tanjaka 3.500 Wc sy mamokatra herinaratra 17,2 kWh ny eto amin'ny Kaominina Ambanivohitra Tsianisiha, ary tanjaka 2.100 Wc sy mamokatra 13,5 kW ny eo amin'ny Kaominina Ambanivohitra Analamisampy. Santionany ireo natolotra eto Toliara ireo izay asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana Malagasy (PGE), amin'ny alalan'ny Tetikasa LEAD, ary tohanan'ny Banky Iraisam-pirenena.

Toeram-pitsaboana miisa 2 274

Ankoatra ity tao Toliara ity, sy ireo toerana maro samihafa efa nahavitana nampisitraka herinaratra dia miisa 2 274 ny toeram-pitsaboana vinavinaina hahazo izany hatramin’ny 2030. Raha ny fanambarana avy amin’ny Ministera mpiandraikitra dia ezahina hahazo izany herinaratra izany avokoa ny toeram-pitsaboana rehetra amin’ny taona 2030. Tafiditra ao anatin’izany ezaka izany ihany koa ny fanatsarana ny rafitra ho an’ireo izay efa manana herinaratra. Tsara mantsy ny manamarika fa ny 99%-n’ny CHU sy ny CHRD dia efa mandeha amin’ny herinaratra, na dia matetika aza tsy ampy ny kalitao sy ny habetsahan’ny herinaratra azo ho an’ireo toerana ireo. Tsara ny manamarika fa amin’ireo 2 274 dia vinavinaina ho vita amin’ny 2026 ny 1 500 amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires