Fanjariantsakafo : Misy tobim-panjarian-tsakafo eny ifotony miisa 6 900 manerana an’i Madagasikara
Ny faritra Analanjirofo no nandray ny fankalazana ny andiany faha-19 amin’ny androm-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo, ny sabotsy 30 novambra 2024, teo amin'ny Place de l'Avenue, ao Fenoarivo Atsinanana. Nampiarahana tamin’izany ihany koa ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Ofisim-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo (ONN).
Ady marolafy
"Fanjariantsakafo ho an'ny rehetra, fiantomorana marolafy, antoka ho an'ny fampandrosoana maharitra" no lohahevitra novoizina, nandritra ity fankalazana ny androm-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo ity. Ny fiantomorana marolafy, dia midika hoe : fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny sehatra maro isan-karazany. Araka izany, voakasik’ity ady ity ireo ministera isan-tsokajiny, ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo mpikaroka, ireo mpisehatra eny ifotony, toy ireo mpanentana ara-pahasalamana… Ny ONN no rafitra ara-panjakana mandritra ny asa marolafy tanterahin’izy ireo. Isan’ny tena manan-danja amin’ny fampanjariana sakafo ireo zaza latsaky ny 5 taona sy ireo vehivavy mitondra vohoka, ireo izay misehatra eny amin’ireo tobim-panjarian-tsakafo eny ifotony miisa 6 900, izay miparitaka amin’ny Faritra rehetra eto Madagasikara. Izy ireo no mandray an-tanana voalohany ireo olona marefo, sy mitondra fanabeazana ara-panjariantsakafo ho an’ny mponina. Nandritra ity fanamarihana tany Fenoarivo Atsinana ity moa dia notolorana mari-pankasitrahana ireo mpisehatra niara-niasa nandritra ny 20 taona tamin’ny ONN, toy ireo mpanentana eny ifotony sy ireo reny mendrika.
Efa nihena ny taha
Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ity lanonam-pankalazana ity ny praiminisitra Ntsay Christian, notronin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy ao amin’ny Faritra Analanjirofo sy Atsinanana, ary ireo rantsamangaikan’ny Ofisim-pirenen’ny Fanjariantsakafo miparitaka manerana ny Nosy. Nambaran’ny praiminisitra, tao anatin’ny lahateniny, fa efa maro ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana hatramin’ny taona 2019, ka nampihena 5% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo eto amintsika. Izany indrindra, hoy izy, no nahavoahosotra ho tompondakan'i Afrika ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, mahakasika ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Marolafy ireo dingana tanterahina, hoy hatrany ny lehiben’ny Governementa, toy ny fanamboarana toho-drano sy lakan-drano, ny fanatsarana ny fitaovam-pamokarana, ny fitondrana tohana ara-teknika ho an’ny tantsaha, ny fampiasana zezika sy masomboly voafantina hampiroboroboana ny fambolena sy ny famokaram-bary...
Ankoatra ny kabary nifandimbiasana dia hetsika maro ihany koa no nentina nanamarihana ny androm-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo, toy ny Fifaninanana "Question pour la Nutrition", nandraisan’ireo ankizy mpianatra anjara, sy ny tranoheva nahitana torohevitra samihafa momba ny fanjariantsakafo.