• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Biby arovana tratra tany Thaïlande : Tafaverina eto Madagasikara ny varika miisa 16

01/12/2024 15:50 © Moov.Mg

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo, androany alahady 1 desambra 2024, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, ny fiaramanidina an’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Airlink, nitondra ny ampahany voalohany tamin’ireo biby tratra naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande, ka naverina eto an-tanindrazana indray.

Fiarovana hentitra

Varika miisa 16, amin’ilay karazany antsoina hoe : « Hira », fantatra ihany koa amin’ny hoe : « Maki », na « Lemur Catta », ho an’ny anarany siantifika, no tafaverina voalohany eto Madagasikara, omaly, tamin’ireo biby naondrana an-tsokosoko, tratra tany Thaïlande. Raha tsiahivina, dia sokatra 1.117 isa sy varika 48 isa avy aty Madagasikara, no tra-tehaky ny manam-pahefana avy ao Thaïlande, ny voalohan’ny volana mey 2024.Nisy tamin’ireo biby ireo anefa no maty, noho ny toe-tany tsy mahazatra azy ireo, na dia teo aza ny fandraisana an-tanana mahafa-po nataon’ny Fanjakana any an-toerana, araka ny tatitry ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD).

Na eo aza anefa izany dia azo lazaina ho fandresena lehibe ho an’ny Fanjakana Malagasy ny fahatafaverenan’ireo biby arovana ireo eto Madagasikara, hoy hatrany ny MEDD. Tsy vitan’ny biby tsy fahita raha tsy eto Madagasikara mantsy izy ireo, fa tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo biby ahiana ho lany tamingan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fiarovana ny Natiora (IUCN) ihany koa. Etsy an-daniny, tafiditra ao anatin'ny Tovana I CITES (annexe I), izay ahitana ireo karazana biby efa tandindomin-doza tanteraka ho lany tamingana, ireo varika ireo, ka tsy maintsy ampiharina aminy ny fiarovana hentitra indrindra.

Fiaraha-miasa iraisam-pirenena

Ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola no nahafahana namerina an-tanindrazana ireto biby ireto. Teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia maro ihany koa ireo nifanolo-tanana tamin’i Madagasikara, toy ny firenena thaïlandais, ny Firenena Mikambana, tamin’ny alalan’ny ONUDC, ny Interpol, sy ny maro hafa.

Nisy ny lanonana ôfisialy, ho fanamarihana ny famerenana ireo biby arovana eto Madagasikara, notanterahina tany Bangkok Thaïlande, ny 27 novambra lasa teo, natrehin’ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina. Nandritra izany no nanambaran’ity farany, fa hanamafy ny hetsika fiarovana rehetra ilaina i Madagasikara, miaraka amin’ny fanohanan’ireo vondrona iraisam-pirenena sy ireo firenena voakasika, mba hamongorana ny tambajotra iraisam-pirenenan’ireo mpanondrana an-tsokosoko.

Efa misy mpitsabo biby mandray an-tanana avy hatrany ireo biby, amin’izao fahatongavany eto Madagasikara izao. Misy teknisianina manokana ihany koa, manampy amin’ny fanaraha-maso azy ireo, mandritra ny fotoana hitokanan’izy ireo monina, amin’ny toerana azo antoka, mialohan’ny hamerenana azy ireo any anaty natiora indray.

Aorian’ny androany dia mbola hisy zotram-piaramanidina miisa roa ho avy hamerina ireo biby arovana mbola tavela any Thaïlande, ka heverina fa ny 3 sy ny 12 desambra ho avy izao no higadonan’izany eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires