Fanjifana : Ampy hiatrehana ny maitso ahitra ny tahirim-bary
Miverina manara-maso eny anivon’ny tsena indray ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Teo amin’ny tsenan’Anosibe indray izy ireo no nijery ny mpivarotra vary. Tao anatin’izany dia nanamarika izy ireo fa ampy hiatrehana ny maitso ahitra izay efa manomboka amin’izao fotoana izao ny tahirim-bary misy.
Manana tahirim-bary 95 000 taonina
« Amin’izao fotoana izao dia manana tahiry hatramin’ny 95 000 taonina isika eto Madagasikara amin’ny vary fotsy. Mbola misy 79 000 taonina ihany koa vao ho tonga », hoy i Razanakoto Isidore, Tale Jeneralin’ny varotra eo anivon’ny Ministera. Nampieritreritra ny mpanjifa tao ho ao ny mety hisian’ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny tsy fahampian’ny tahiry. Azo antoka araka izany, raha io filazan’ny avy ao amin’ny Ministera io fa ho ampy ny vary izay misy ary tsy misy hatahorana ny fanjifana. Etsy andaniny anefa dia ahitana fahasamihafana kosa ny vidin’entana isany ny toerana misy ny tsena. Anisan’ny antony iray mahatonga izany ny fitaterana sy ireo filàna rehetra mety ho ilaina mandra-pahatongan’ny vary any an-toerana. Fa amin’ny ankapobeny kosa dia manodidina ny 150 000 ariary eo ho eo ny gony iray 50kg eny amin’ireo mpamongady. Misy amin’ny karazany ihany koa ny vary azo jifaina izay tonga hatramin’ny 157 000 ariary ny 50 kilao.
Manana vary akotry
« Mbola antony iray hilazana ihany koa fa tsy misy hatahorana ny tahirim-bary eto Madagasikara dia ny fisian’ny vary akotry. Efa manomboka miakatra ihany koa izany amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny fanazavana. Ity vokatra farany ity izay hanampy betsaka indrindra amin’ny fampitomboana io tahiry io. Harahi-maso akaiky hatrany moa io lalan’ny fitsinjarana (circuit de distribution) io. Manentana ireo mpivarotra kosa ny kaomisera sy mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana, hitsinjo ny mpiara-belona ka tsy hanararaotra sy tsy hampiakatra tsy ara-drariny ny vidin’entana.