• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Adn
Image
Vaovao

Mega Live : Mpanakanto maherin’ny 10 hanolotra fampisehoana « bôjo » ho an’ny mpanjifa Yas

09/07/2025 15:26 © Moov.Mg

Mpanakanto tsy latsaky ny 10 no indray hiaka-tsehatra eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, amin’ny zoma 18 jolay 2025 ho avy izao. Ny Yas Madagasscar no mikarakara ity fampisehoana goavana ity, mba ho fisaorany ireo mpanjifany, izay efa niara-dalana tamin’ny fony mbola Telma, hatramin’izao nivadihany ho Yas izao.

Fampisehoana goavana

Shyn sy Denise, Ceasar, Stéphanie, Oladad, Tence Mena, Lico Kininike, Dadi Love, Parish, Mopcaan, Rijade, Maman'i Tsôlôlô, Dadi Love… mpanakanto izay samy masoivohon’ny Yas ! Izy ireo no hiray sehatra amin’io fotoana io, ao anatin’ity hetsika « Mega Live Yas » ity. Hisy mpanakanto hafa tsy ampoizina ihany koa hanampy azy ireo, miaraka amin’ireo mpampirona (influenceurs) mpiara-miasa amin’ny Yas, toa an’i Myh en Mbalait sy Jannia Blast’in. Ity fampisehoana « bôjo » ity dia sady ho fisaorana ireo mpanjifan’ny Yas, izay efa mahatratra 16 tapitrisa ankehitriny, no sady ho fanasana ireo mbola tsy mpanjifa ihany koa, mba hanatevin-daharana ny fianakaviamben’ny Yas, raha ny fanazavan’i Henintsoa Randrianjatovonarivo, Tomponandraikitry ny serasera eo anivon'ny Yas Madagasikara.

Araka izany, mampanantena fampisehoana goavana sy tsy fahita firy ity orinasam-pifandraisana ity, satria isan’ireo mpanakanto sangany sy be mpankafy amin’izao fotoana ireto hanafana ny kianja Barea ireto. Nanamafy izany rahateo i Ceasar raha nilaza fa « tsy manao zavatra fahatany ny Yas, fa avo lenta hatrany ny zavatra atolony. Artista manana ny maha-izy azy daholo ireo hiantsehatra ireo », hoy ny nambarany tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben’ny Yas Madagascar eny Andraharo, androany 9 jolay 2025.

Tolotra Yas 1 000 Ar = tapakila 1

Amin’ny maha-« bôjo » azy, dia ny fividianana fahana na tolotra Yas, manomboka amin’ny sarany 1.000 Ar, no hahafahana mahazo ny tapakila fidirana amin’ity fampisehoana « Mega Live Yas » ity. Manomboka amin’ny zoma 11 jolay izao, hatramin'ny 17 jolay 2025, no hahafahana mandray ny tapakila, eny amin’ireo Yas Store (Telma shop teo aloha) rehetra eto Antananarivo renivohitra. Amin’ny andron’ny fampisehoana, ny 18 jolay kosa, dia eny amin’ny Yas Store Mahamasina no hahafahana maka izany tapakila izany.

Halefa mivantana amin’ny efijery lehibe (écran geant) ity fampisehoana goavana ity, any amin’ny tanàna maromaro toa an’i Morondava, Antsirabe, Nosy be, Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Taolagnaro, Toliara sy Fianarantsoa. Ankoatra izay dia hisy ny fifaninanana karaoke, hiarahana miasa amin’ny Moozik. Ho afaka mandray anjara amin’izany avokoa ireo rehetra manana finday « smartphone », satria ny rindrambaiko am-pinday (application mobile) « Moozik » no hampiasaina amin’izany fifaninana karaoke izany.

Marihina fa miara-miasa amin’ny Ivenco ny Yas amin’ny fikarakarana sy ho tohana ara-teknika amin’ity fampisehoana ity. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva ny fampisehoana, fa amin’ny 2 ora tolakandro kosa dia efa hisokatra ny vavahady.

Lire la suite

Articles Similaires