• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Programme Defis
Image
Vaovao

Fiompiana ondry sy osy : Loharanon-karena sy fampandrosoana ho an’ny tantsaha ao Androy

09/07/2025 14:19 © Moov

Mivelatra sy mivoatra tanteraka ny fiompiana osy ao amin’ny kaominina Andalatanosy, faritra Androy. Miara-mivondrona ao anatin’ny Union EZAKA ireo mpiompy, ary tafiditra ao anatin’ny mahazo fanohanana ataon’ny Tetikasa DEFIS. Ity farany no manome tosika ara-teknika, mizara biby fiompy, manao vaksiny, ary manome fiofanana amin’ny fitantanana sy fampandrosoana ny fikambanana.

Fihariana efa hatramin’ny ela

Efa hatramin’izay no niompy ondry sy osy ireo tantsaha ao Antanimora Atsimo sy Bekily ; amin’izao fotoana dia nisy fivoarana izany vokatry ny tetikasa DEFIS. Nampianarina teknika maoderina, anisan'izany ny fitantanana toby fiompiana sy fisorohana ny aretim-biby samihafa izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia miisa 12 000 ireo ondry sy osy ompian’ireo mpiompy avy amin’ny fikambanana tantsaha miisa 13, ao anatin’ny Union EZAKA.
Etsy ankilany moa dia fiompiana iray tena mety amin’ny toetrandro maina sy mafana any Androy ny osy sy ondry. Ankehitriny dia efa lasa loharanon-karena azo ianteherana ho an’ny mponina any an-toerana izy io.

Fitomboan’ny fidiram-bola

Amin’ny alalan’ny fanaraha-maso sy fanatsarana ny fomba fiompiana dia nihatsara ny fahasalaman’ireo biby, nitombo ny vokatra ary niakatra ny vola miditra. Afaka mivarotra amin’ny tsena anatiny sy any amin’ireo mpanjifa lehibe toy ny BOVIMA, LAND O’LAKES ary FID izy ireo. Vokatra hahazoana vola avokoa na ny hena na ny hoditra, ny ronono, eny hatramin’ny fivalanan-dranony, izay ampiasaina hanamasahana ny zezika. Manomboka amin’ny 120 000 ka hatramin’ny 150 000 ariary ny vidin’ny osy iray, amin’izao.

Fanavaozana amin’ny fiompiana

Isan’ny nampianarina ireto tantsaha mpiompy ireto, tamin’ny alalan’ny tetikasa DEFIS ny fampiarahana ireo karazam-biby mitovy amin’ny toerana iray. Nohamafisina ihany koa ny manodidina ny fampisakafoanana azy ireo, mikasika ny fitadiavana ahitra sy zavamaniry manankarena amin’ny otrikaina. Ilaina ny manala ireo biby kely toy ny parasy sy ny kongona indroa isan-taona ary manao vakisiny isaky ny enim-bolana.
Tsara ny manamarika fa tamin’ny alalan’ny Mécanisme Ciblant les Vulnérables (MCV)dia nahazo andiany voalohany tamin’ireo biby fiompy ireo ; sy fiofanana momba ny fitantanana ara-barotra ihany koa ny fikambanana. Miroso miandalana mankany amin’ny fiompiana maharitra, manangana lova vaovao ho an’ny tantsaha any Androy, ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires