• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Nadine Ramaroson Alain Rajaonarivony
Image
Vaovao

Fitaterana an-dalamby : Miha-marefo hatrany ireo fitaovana ao anatin’ny zotra Fianarantsoa Côte Est (FCE)

09/07/2025 15:46 © Moov

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa amin’ny ilany Atsinanana (Fianarantsoa Côte Est FCE), ny alahady lasa teo. Araka ny tatitra avy amin’ny Fitantanana ny Zotran-dalamby FCE dia ilay lamasinina BB 0229 io niala tamin’ny lalam-by io ka nampitongilana azy, tsy nisy ny aina nafoy.

Miato ny fitaterana

Ity lamasinina BB 0229 ity irery ihany no hany fiara an-dalamby afaka miasa ao amin’ny FCE amin’izao fotoana izao. Mahazaka olona 64 mipetraka izy io, sy ireo sasany izay mitsangana. Miato indray aloha araka izany ny fitaterana any an-toerana. « Hampahafantarina amin’ny fotoana manaraka ny amin’ny fiverenan’ny fifamoivoizana eto anivon'ny zotran-dalamby, rehefa voamarina fa azo antoka tanteraka ny fandehanana », hoy ny avy ao amin’ny fitantanana.
Miteraka olana maro amin’ireo mponina any an-toerana ny fiatoana satria ity karazam-pitaterana ity irery ihany no tena fampiasan’ireo mponina maro be handalovan’ny lalam-by. Ankoatra ireo olona dia isan’ny fitaovana mora hitondrana entam-barotra ihany koa ny lamasinina ka tena zava-dehibe amin’ireo mponina. Isan’ny toerana mamokatra voankazo betsaka iny ilany atsinanana iny ary miantoka ny vola miditra amin’ireo mponina hatramin’ny 70% ny famoahana azy. Araka izany, zava-dehibe amin’ireo mponina any an-toerana ity fitaterana iray ity.

Antitra ny fitaovana

Manoloana izay filàna lehibe amin’ireo mponina izay anefa dia feno ahiahy izy ireo amin’ny fahanteran’ny fitaovana. Ankoatra ny fiara an-dalamby tsy misy afatsy ity iray ity, izay efa nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona, ny taona 2024, dia efa antitra ihany koa ireo vy amin’ny lalana. Raha tsiahivina dia efa ny taona 1929 tany ho any no nanamboarana io lalam-by io. Misy ihany ny fanamboarana sy fanatsarana indraindray saingy tsy ampy izany. Mafana sy avy orana matetika ihany koa iny toerana iny ka mahatonga ny fahasimbana vetivety.
Etsy ankilany dia mirefy 163Km ny lalana ary mandalo tendrom-bohitra sy karazam-pambolena samihafa. Ireo rehetra ireo anefa mahatonga fihotsahana matetika ka mamparefo ny lalana. Miandrandra fanamafisana ireo fitaovana hitaterana rehetra amin’iny lalana iny ireo mponina, araka izany.

Lire la suite

Articles Similaires