• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

COP16 ho an’ny karazanjavamananaina : Fahombiazana ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara, hoy ny MEDD

04/11/2024 00:00 © Moov.Mg

Nifarana ny sabotsy 2 novambra 2024 teo ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny karazanjavamananaina, na COP16, notanterahina tany Cali, Kôlômbia, izay efa nanomboka ny 21 oktobra 2024. Naneho ny fandraisana andraikitra sy ny fahavononany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana i Madagasikara, nandritra izany, ary nahazo sitraka manokana avy amin'ireo mpandray anjara, araka ny tatitra avy any an-toerana.

Delegasiônina mafonja

Firenena maherin’ny 150 no nandray anjara sy niady hevitra momba ny fiarovana ireo karazanjavamananaina, nandritra ny 10 andro, tany Cali Kôlômbia. Ny fanavaozana ireo lalàna efa misy, ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena ary ny fanatsarana ny famatsiam-bola ho an’ny asa fiarovana, no tena foto-kevi-dehibe nifantohan'ireo fivoriana sy adihevitra isan-tsokajiny. Isan'ny nanatrika ity fihaonana ity, sady mpitarika ny delegasiônina malagasy, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Olona 52 isa no nandrafitra izany delegasiônina izany, ka isan’izany ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tany amin'ny Distrikan'i Benenitra izay filohan'ny vaomiera momba ny tontolo iainana eo anivon'ny Antenimierampirenena, ny goverinoran'ny Faritra DIANA ary ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena.

Nifampizara traikefa

Anisan’ny tanjona napetraky ny delegasiônina avy aty Madagasikara ny fanavaozana tanteraka ny paikady fandraisana anjara amin’ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ireo fifanarahan’i Rio, izay manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary ho lovainjafy. Ankoatra ny fivoriana lehibe, dia nandray anjara tamin’ireo hetsika adihevitra isan-karazany, toy ny « Side Events » sy ny « panels » ihany koa ny minisitry ny Tontolo Iainana, ka nifanakalo hevitra sy traikefa tamin’ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena sy ireo firenena hafa. Nahafahana nizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana izany, ary nanamafy ny ezaka maharitra ataon’ny firenena amin’ny fampandrosoana lovainjafy. « Tsapan’ireo mpiara-miombon'antoka fa vonona hanao ezaka mafy i Madagasikara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy ny minisitra Fontaine Max, ary tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana rahateo izany.


Copyright Image : © MEDD

Mpanelanelana

Fa isan’ny nisongadina, ary nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana fa fihetsika diplomatika goavana, ny nanendren’i Kôlômbia, izay filohan’ny COP16, an’i Madagasikara ho "facilitateur" niaraka tamin’i Norvezy. Araka izany, iray amin’ireo firenena roa mpandrindra sy mpanelanelana amin’ireo firenena hafa i Madagasikara, mba hampitoviana ny hevitra sy hampiroboroboana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny karazanjavamananaina. « Manome lanja ny firenena izany fanendrena izany, sady fandresena diplomatika lehibe, izay endrika fanekena ny fahombiazan’ny paikadin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy i Fontaine Max.

Nisy ihany koa moa, nandritra ity dia tany Kôlômbia ity, ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena sy ireo firenena hafa, nahafahana nandinika ireo tetikasa efa misy sy ireo azo tanterahina amin’ny ho avy eto Madagasikara, indrindra momba ny famatsiam-bola hanohanana ny fiarovana ny tontolo iainana. Dingana manaraka ny COP29 momba ny Fiovan’ny Toetr’andro, izay hatao any Bakou Azerbaïdjan.



Lire la suite

Articles Similaires