Fiomanana amin’ny loza voajanahary : Miroso ny fananganana ny trano lehibe fialofana ao Manakara
Natomboka ny faran’ny herinandro teo ny fananganana ny ny trano lehibe fialofana handraisana ireo izay mety tra-doza na ny Abri Communautaire à Usages Multiples (ACUM) tao Manakara. Tonga nametraka ny vato fototra tany an-toerana ny Minisitry ny mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Hatao indrindra hiatrehana ny mety ho takaitran’ny loza voajanahary toy ny rivo-doza izany trano lehibe izany.
Handraisana traboina aman’arivony
Tombanana hahafahana mandray traboina aman’arivony io trano lehibe io rehefa vita. Raha tsiahivina mantsy dia anisan’ny toerana iray handalovan’ny rivo-doza sy mitondra takaitra betsaka amin’izany matetika iny faritra Atsimo Atsinanana misy an’ny Manakara iny. Ao amin’ny fokontany Ambokala ao Manakara no nametrahana io toerana io. Haharitra enimbolana ny faharetan’ny asa. Toy ireo izay ACUM rehetra ho atsangana, natao hahatohitra ny loza voajanahary izy io ary manaraka ny fenitra ara-pahasalamana. Misy efitra fidiovana ho an’ny lehilahy sy vehivavy, lakozia, trano fisakafoanana, efitra natokana ho an’ny olona manana fahasembanana ary ny efitra fitsaboana sy efitra ho an’ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy. Etsy ankilany anefa, ankoatra ny fandraisana ireo traboina dia hahafahana mandray hetsika marolafy ihany koa io trano lehibe izay vao haorina io.
Fiaraha-miasa
Raha haharitra enimbolana ny fananganana izany trano izany dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny rafi-panjakana samihafa. Mifanampy amin’ny fanatanterahana izany ny Ministeran’ny mponina, ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Eo ihany koa ny avy ao amin’ny Primatiora, ahitana ny CPGU na ny Cellule de Prévention et d'appui à la Gestion des Urgences sy ny BNGRC na ny Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes. Ireto farany ireto izay Sampandraharaham-panjakana miahy ny aro-loza sy ny tandindon-doza. Raha tsiahivina moa dia mbola maro ireo toerana hametrahana ity ACUM ity ankoatra io ao Manakara io.