• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 28 oktobra hatramin'ny 3 novambra 2024

04/11/2024 00:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 28 oktobra hatramin'ny alahady 3 novambra

Burundi # Nanatrika ny fivorian'ny COMESA i Madagasikara

Nitarika ny delegasiona malagasy tamin’ny fivoriambe faha17 mahakasika ny fandraharahana any Bujumbura, Burundi, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny RASATA Rafaravavitafika.
Mikendry indrindra izay hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampiasam-bola eo amin'ny firenena mpikambana, mifantoka amin'ny fampivoarana ny vokatra sy izay iraisana aty amin’ny faritra eo amin’ny lafiny toekarena ny fihaonambe. «Andeha hanafaingana ny vondrontendrom-paritra amin’ny alalan’ny fampivoarana ny rojom-pihariana eo amin’ny sehatry ny fambolena mahatohitra ireo ambana, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fizahantany », izay no loha-hevitra. Amin'ity taona ity no fanamarihana ny faha-30 taonan'ny COMESA.Tontosa ny famindram-piadidiana eo amin’ny Repoblikan’i Zambia izay filoha amperin’asa sy ny Repoblikan’i Burundi, filoha vaovao.

Antananarivo # Vahaolana hampihenana ny Déléstage

Vahaolana ampiharina avy hatrany no nentin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny fitsidihana ny foiben'ny Jirama Ambohimanambola, ny 30 oktobra lasa teo. Misy "Groupe" lehibe miisa roa ampiasaina, mba hampitomboana ny famatsiana herinaratra. Alefa mandritra ny adiny dimy isan'andro ireo fitaovana ireo, ary andaniana 300 tapitrisa ariary isan'andro amin'ny solika, izany hoe 9 lavitrisa ariary isam-bolana. Hisy ihany koa ny fandatsahana orana artifisialy, mba hampitombo ny tosiky ny rano hahazoana herinaratra. Ny tena tanjona dia ny hanomezana herinaratra mandritra ny 15 ora isan'andro raha kely indrindra, izany hoe amin'ny 6 ora maraina hatramin'ny 10 ora alina.

Tetibolam-panjakana 2025 # Mifantoka amin'ny resaka angovo

Ny mibahana amin'ny teti-bolan'ny Fanjakana amin'ny taona 2025 dia ny fampiasana vola mba hampandroso ny Jirama. Tafiditra ao anatin'izany ohatra ny fananganana ny "Parc Solaire Flottant" lehibe indrindra eto Afrika, eny Ivato. Hahafahana misitraka herinaratra hatramin'ny 250 MW izany, ka hahazo tombony na ny eto Antananarivo na ny any amin'ny faritra hafa. Afaka herintaona raha ela indrindra dia ho tanteraka izany. Ho vaindohan-draharaha ihany koa ny fambolena, mba hampivoarana ireo tantsaha.

Fahasalamana # Caravane Médicale # Faradoboka 2024

Niainga ny sabotsy 2 novambra lasa teo, teny amin'ny HJRA, ny fiarabe manolotra fitsaboana maimaimpoana. Ireo vahoaka any amin'ny Distrikan’i Antsirabe, Ambalavao, Sakaraha, Toliara I ary ny tananan'Antanimeva no mahazo tombony amin'ity indray mitoraka ity. Ity hetsika ity dia eo ambany fiahin’dRamatoa Mialy RAJOELINA , vadin’ny Filoham-pirenena sady Filohan’ny « Association Fitia izay tanterahan’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka ary ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa. Ny tanjona moa dia ny hahafahan'ny Malagasy rehetra misitraka fahasalamana manakaiky Vahoaka, ara-kalitao sy manaraka ny fenitra.

Bilan Alimentaire # Manana boky mikasika ny fanjariana ara-tsakafo i Madagasikara

Voalohany ny nananan’i Madagasikara ny Boky « Bilan Alimentaire», mirakitra ny antsipirihan’ny tahan’ny fanjariana ara-tsakafo sy ny soritry tahan’ny singa mahavelona ao anaty sakafo fihinana. Voarakitra ao anatin’izany ny sakafo vokatra ara-pambolena, fiompiana ary ara-jono eto Madagasikara.
Asongadina ohatrany taha ankapobeny mahakasika ny fihinanan’ny Malagasy tsirairay avy ny proteinina, ny lipida, glucida, vitaminina ary ny sira mineraly. Ao anatin'izany boky izany ihany koa ireo karazan-tsakafo sy ny lanjany ary ireo sakafo mahazatra fihinan’ny Malagasy sy ny tahan’ny singa mahavelona ao anatin’ny sakafo isan’olona sy isan-taona.

Beroroha # Nisy kapiteny notifirina zandary mpiana-draharaha

Nitrangana loza tao amin’ny Centre d’Aguerrisement Opérationnel (CSAO) Beroroha, ny 30 oktobra lasa teo.
Nisy zandary mpianadraharaha tsy nety nanaraka ny fandaminana sy ny fitsipi-pifehezana tamin’ny CSAO Beroroha. Nandray andraikitra hanitsy sy hanasazy azy ny lehibeny. Ny kapiteny Franck Muller, komandin’io CSAO io, no nanitsy ny miaramilany, ka notifirina mpiana-draharaha iray. Ity farany kosa nitifi-tena avy eo, ka maty na dia nanaraka fitsaboana aza. dia mbola manaraka fitsaboana rehefa avy nitifi-tena.
Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny ao anivon’ny Zandarimaria. Nidina ifotony Atoa jeneraly RAKOTOMALALA Andriantahina, komandin’ny Zandarimariam-pirenena.

Antalaha # Fisorohana ny fanapoizinana avy amin'ny hazan-dranomasina

Tany amin'ny faritra SAVA indray ny ekipan'ny ministeran'ny jono, nanatanteraka fanentanana mikasika ny "Intoxication par la Consommation d’Animaux Marins" (ICAM). Ny tao Antalaha, kaominina Ampahana, no nisitraka izany. Nisy ny fanazavana ireo toromarika voalaza ao amin’ny afisy sy peta-drindrina izay manoro ireo karazana haza an-dranomasina tsy azo hanina amin’ny andro mafana, na amin’ny fotoana fanatodizana, sns, mba hisoroana hatrany voka-dratsy izay mety ho ateraky izany amin’ny vahoaka mpanjifa. Tanjona ny tsy hisian'ny aretina na fahafatesana vokatry ny fihinana hazan-dranomasina sasantsasany.

Ambanitsena RN2 # Nahatratrarana rongony milana 30 kilao

Rongony milanja 30 kilao no saron'ny BPR Antananarivo ny 26 Aprily 2024 tamin'ny 7 maraina tao Ambatolampikely RN2 Pk 22+200, kaominina Ambanitsena. Nandritra ny fisavana nataon'ny zandary tamin'ny fiara Taxi-brousse avy any Moramanga hihazo an'Antananarivo no nahatsikaritra olona mampiahiahy. Nitondra gony lehibe miisa roa feno rongony nafenina tsara any ambany seza fitoeran'entana. Notazomina hatao famotorana ireo olona roa izay avy Moramanga sy Ambohimirary Antananarivo. Nampidirina am-balan-tsazy kosa ny fiara nitondra ireo entana.

Mahajanga # Nahazo milina fanodinana tantely

Notokanan’ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA ny milina ODOF fanodinana tantely anjaran’i Mahajanga, ao anatin'ny tetikasa ODOF. Afaka manodina tantely 100 litatra isan’ora ny milina. Tanjon’ny orinasa Rucher du Boeny, amin’ny taona 2025, ny hanodina tantely 10 taonina. Mahatratra 50 taonina, anefa, ny vokatra tantely any amin’ny faritra Boeny anatin’ny taona. Midika izany fa ampy ny tantely ary tsy tokony hanana olana amin’ny akora fototra ny milina fanodinana tantely ao Mahajanga. Hita any amin’ny faritra Boeny iny koa ny karazan-tantely toy ny tantely Manary, tantely Honko ary ny tantely Mokonazy. Miara-miasa amin’ny Le Rucher du Boeny amin’ny famatsiana akora fototra ny Kaoperativa Fandraman’i Boeny (KFB) ivondronan’ny mpiompy tantely manodidina ny 400 avy ao Mahajanga I sy Mahajanga II, Ambatoboeny, Marovoay ary Soalala.

UNESCO # Fivoriana manerantany mikasika ny fanabeazana

Niatrika ny fivoriana maneran# mahakasika ny fanabeazana, taona 2024, izay natao tany Fortaleza Brésil, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Malagasy Dr SAHONDRARIMALALA Marie Michelle. Nandray anjara tamin'izany ireo Minisitry ny Fanabeazana rehetra manerana izao tontolo izao ka mpikambana ao anatin'ny UNESCO sy ireo Minisitry ny vola sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ary ireo misehatra eo anivon'ny fanabeazana.
Tanjon'ny fivoriana ny fanaovana jeritodika ny asa vitan'ny firenena tsirairay mahakasika ny vinan'ny fampandrosoana maharitra taona 2030, eo amin'ny lafin'ny fanabeazana sy ny fanolorana ny asa entina mampandroso haingana mba hanatrarana ny tanjona napetraka. Nisy ny famolavolana paikady iraisana entina mampitombo ny famatsiam-bola marolafy izay mifandraika amin'ny filàn'ny firenena tsirairay mba hanalavirana ny tsy fitoviana.

Lire la suite

Articles Similaires