• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnews
Image
Vaovao

Fanjifana : Nihena hatramin’ny 70% ny fanafarana vary

16/05/2024 21:06 © Moov

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ny fanjifana. Nandritra izany no namaritana ny ezaka efa natao mba hialana amin’ny fanafarana vary avy any ivelany.

Nihena hatramin’ny 70% ny fanafarana vary tao anatin’ny efatra volana voalohany amin’ny taona 2024, raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa, hoy ny avy ao amin’ity ministera ity.

Omena lanja ny vokatra eto an-toerana

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fitondram-panjakana ny hanafoana hatramin’ny farany ny fanafarana vary eto Madagasikara. Araka izany dia homena lanja ny vokatra eto an-toerana amin’ny alalan’ny fividianana ireo vokatra eto an-toerana. Manodidina ny 750 000 taonina isan-taona ny voka-bary eto amintsika isan-taona raha toa ka tombanana eo amin’ny 3 500 000taonina eo ho eo ny filàna isan-taona ka izay no mbola mampisy ny fanafarana. Efa manao ny ezaka anefa ny ministera amin’ny fialàna amin’izany fanafarana izany na dia mbola ho afaka anaty fotoana fohy aza. « Ny fampiakarana ny famokarana vary eto ihany no hahafahna mampiakatra sy manafoana io fanafarana. Hampitomboina ny velaran-tany ary hatsraina ny masomboly », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Miovaova isan-taona anefa io voka-bary eto Madagasikara io noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny valala. Araka izany dia mbola mila fotoana ela ela kely ny fanafoanana tanteraka ny fanafarana.

Maitso ahitra

Manana andraikitra ny hanampy ny mpanjifa mandavan-taona ny ministera. Hatahorana anefa ny fiakaran’ny vidin’entana rehefa maitso ahitra. Manomboka izao dia efa miomana amin’izany ihany koa ny ministera. Ny orinasa « State Procurement of Madagascar »SPM no afaka manao ny fampifandanjana ny tolotra sy ny tinady. Amin’izao fotoana izao dia efa miezaka manao tahiry ity orinasa ity. Mitahiry ny vary mety ilaina amin’ny maitso ahitra sahady izy ireo amin’izao. Ny tanjona amin’izany dia ny hahafahana mifehy ny vidim-bary amin’iny fotoana iny.

Lire la suite

Articles Similaires