• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Praiminisitra Gal Zafisambo : "Tsy mora ny mamerina amin'ny laoniny ny filaminana"

10/10/2025 14:06 © Moov

Nanatanteraka ny fidinana ifotony voalohany nataony irery ny Praiminisitra, ny Jeneraly Zafisambo Ruphin, androany, teny Analakely. Nihaona tamin’ireo mpitandro filaminana izy ary nanafatra sy nampahery ireo tafika amin’izao korontana izao.

Hisy fepetra vaovao hitandroana filaminana

« Raha ny faniriako dia eny Amoron’Ankona na Ambohimanambola ny fidinana ifotony nataoko, hamahana ny olan’ny jiro sy rano fa ilaina ihany koa ny fampaherezana ety an-kianja », hoy ny Praminisitra. Nitondra ny teny fampaherezana ireo mpitandro filaminana miasa eny an-tsehatra amin’izao korontana misy izao no tena anton’ity fidinana ifotony notanterahiny ity. Nilaza ny tenany fa tsy mora ny mamerina amin’ny laoniny ny filaminana, ka mila izany fampaherezana sy tohana ara-moraly izany ireto mpitandro filaminana ireto. Tao anatin’izany no nilazany fa miandrandra fitoniana avokoa ny vahoaka malagasy rehetra, hatramin’ny tenany. Hisy ny fepetra vaovao ho raisina, mikasika ny fitandroana ny filaminana manerana ny Nosy, hoy ity Praminisitra vaovao ity, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy.
Tamin’ity fandalovany ity dia nanafatra mikasika ny andraikitra tokony ho sahanin’ireto mpitandro filaminana ireto, ny tenany ka hanatanteraka izany ao anatin’ny fisainana sy araka ny etika.

Manameloka ny fihoaram-pefy

Nandritra ny firesahany tamin’ny mpanao gazety ihany koa no nanontanian’izy ireo ny mety ho fepetra ho raisina manoloana ny herisetra izay nataon’ireo mpitandro filaminana. Isan’ny voatonona tamin’izany ny fandorana volon’olona sy fitaritaritana tovolahy iray teny Anosibe. Hisy mihitsy hoy ny tenany ny fepetra ho raisina manoloana izany. « Manameloka ny fihoaram-pefy sy ny fanaparana ny hery amin’ny samy Malagasy aho. Isan’ny fepetra mety ho raisina ny fampiatoana mandritra ny fotoana voafetra ireo nanao izany amin’ny asany na fanatsaharana amin’ny asa mihitsy aza », hoy hatrany ity Praiminisitra ity. Nanazava kosa ny tenany fa tsy maintsy hifampidinihana izany fepetra ho raisina izany, izay tafiditra ao anatin’ilay fepetra vaovao heverina hapetraka.

“Couvre-feu”

Isan’ny nanontanian’ny mpanao gazety ihany koa ny mikasika ny fahafahana mivezivezy amin’ny alina na ny “couvre-feu”. Raha tsiahivina dia nanambara ny Prefektiora fa foana izany, ho an’Antananarivo, raha ny mifanohitra amin’izany kosa no nolazain’ny EMMONAT. Tamin’ity fidinana ifotony ity dia nanambara ny Praiminisitra fa “tsy mbola nisy ny taratasy ofisialy manambara fa efa foana ny fandrarana mivezivezy amin’ny alina, fa afaka mandray izay fanapahan-kevitra izay foana kosa ny prefektiora”.

Lire la suite

Articles Similaires