• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Chugob
Image
Vaovao

Maternité Befelatanana : Mikatona vonjimaika ny hôpitaly

13/10/2025 09:06 © Moov

Tsy handray marary intsony, ao anatin’ny fotoana mbola tsy voafaritra ny CHU GOB Maternité Befelatanana. Izany no fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny pejy ofisialin’izy ireo, omaly, manoloana ireo herisetra nianjady tamin’ireo marary sy ireo mpiasa.

Tsy feno ny fepetra handraisana marary

Nanao fanambarana ny mpiara-miasa paramédicaux, tao amin’ny CHUGOB ny 10 oktobra teo, mikasika ny herisetra mianjady amin’izy ireo sy ireo marary raisina an-tanana ao ; toy ny baomba mandatsa-dranomaso izay tafiditra tao anatin’ny faritry ny Hôpitaly. Tsy nahitana valiny izany ka niverina nanao fanambarana indray izy ireo, omaly, 12 oktobra, izay milaza fa « tsy hanohy ny asany andavanandro izy ireo raha tsy misy ny fanambarana mazava tsara mikasika ny fitandroana ny fahaleman’ireo mpiasa ». Mpampivelona miisa 14 no niaraka nanao sonia izany. Etsy ankilany dia mbola tsy niverina niasa ihany koa ireo mpiara-miasa hafa hikarakara ny marary, toy ny « internes » sy ny « internes qualifiants ».
Manoloana izany dia nilaza ny avy ao amin’ny CHU GOB Befelatanana fa tsy feno ny fepetra ilaina farafahakeliny hahafahana mitsabo ara-dalàna ny marary. « Noho izany, dia tsy maintsy miroso amin’izao fanapahan-kevitra izao izahay dia ny tsy fandraisana intsony marary vaovao ato amin’ny hopitaly », hoy ny fanambarana. Nanamarika kosa izy ireo fa miverina mandray marary ny hopitaly raha vao feno ireo fepetra farafahakeliny ilaina hampiodina azy ho fitsinjovana ny marary sy ny mpiara-miasa.

Nafindra toeram-pitsaboana ireo marary

Raha tsiahivina, tamin’ny 9 oktobra teo, dia nisy tamin’ireo zaza vao teraka no sempotra ka tsy maintsy nampidirina « couveuse » ary nisy ireo nafindra trano hafa. Tamin’ireny korontana ireny dia saika tratran’izay olana izay hatrany ny CHU GOB. Amin’izao fotoana izao dia nafindra toeram-pitsaboana hafa ireo marary izay mbola tena mila manohy fitsaboana. « Efa nisy ny resaka nifanaovana tamin’ireo marary mbola tsaboina ato, ary koa fandaminana niarahana tamin’ny toeram-pitsaboana hafa eto an-drenivohitra mba handraisan’izy ireo ireny marary ireny », hoy hatrany ny fanambarana.
Mbola tsy misy araka izany ny fe-potoana hisokafan’ny toeram-pitsaboana indray, na dia hiteraka olana maro aza izany. Raha tsiahivina mantsy dia ny Maternité Befelatanana no mpandray ireo marary mila fandidiana izay ahitana fahasarotana. Andrasana haingana araka izany ny fanapahan-kevitra, mba hisokafan’ity toeram-pitsaboana lehibe ity indray.

Lire la suite

Articles Similaires