Fihoaram-pefy teo anivon’ny Zandarimaria : Efa nisy ny fepetra noraisina ary mbola misy ny horaisina
Taorian’ny tranga mavaivay niseho teto Antananarivo, omaly sabotsy 11 ôktôbra 2025, dia samy namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena. Antso nitambaran’izy ireo ny mba hiverenana amin’ny firaisan-kina sy ny fahavononan’izy ireo hiaraka hiasa, mba hiverenana amin’ny fandriampahalemana maharitra.
Mpirahalahy, samy ao anaty foloalindahy
Nahitana taratra ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Tafika sy ny Zandary ny tranga niseho omaly teto Antananarivo. Raha toa tokoa mantsy ka voalohan-daharana hatrany ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fanakanana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy ho tafiditra eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey 1972, na ny kianjan’Ambohijatovo, dia ireo miaramila avy eo anivon’ny CAPSAT (Corps d’Administration et des Services Techniques des Armées) mihitsy kosa omaly no nisava ny lalana, ka nahavaky ity toera-manan-tantara amin’ny hetsika fitakiana eto Madagasikara ity. Nisy ny fifampitifirana izay namoizana aina. Mbola nisy ihany koa aza ny siosion-dresaka nilaza fa hanafika eny amin’ny CAPSAT Soanierana ireo Zandary.
Araka ny fanambaran’ny Zandarimariam-pirenena, natao teny amin’ny Toby Ratsimandrava androany 12 ôktôbra 2025 anefa, dia « Mpirahalahy, samy ao anaty foloalindahy iray tsy mivaky ny Tafika sy ny Zandary ; manome lanja ny firaisankina, ny firahalahiana izay antoka maha-fianakaviamben’ny miaramila ».
Fitsinjovana ny tombontsoa iraisana
Etsy an-daniny, niaiky ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, araka ity fanambarana novakian’ny General de Division Boto Lucien, lefitra voalohan’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ity, fa nisy ny tsy lavorary sy ny fihoaram-pefy teo amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany. Manoloana izany dia efa nisy ny fepetra noraisina ary mbola misy ny horaisina. Nilaza ho vonona ny hanova sy hanatsara ny fomba fiasa ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, mba hitsinjovana kokoa ny tombontsoa iraisana. Voalaza tao anatin’ity fanambarana ity, fa miainga avy eny amin’ny foibe fibaikoana ny Zandarimaria Nasiônaly irery ihany ny toromarika amin’ny baiko rehetra izay homena ny zandarimaria, manomboka izao, ary mitohy ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Fampanjaka ny tany tan-dalàna
Ho an’ny Polisim-pirenena indray dia ny « confédération syndicale de la police nationale », itambaran’ireo vondron’asa miisa efatra eo anivon’ny polisim-pirenena manerana an’i Madagasikara (agent de police, inspecteur de police, officier de police, commissaire de police, commissaire divisionnaire de police, contrôleurs généraux de polices ary inspecteurs généraux de police), no niaraka nanao fanambarana. Nisongadina tao anatin’izany ny fanamafisana fa vonona mandrakariva ny Polisim-pirenena, ho fitandroana ny filaminana, ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ho fampanjaka ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra maha-olona ary ny fahalalahana. Nanao antso avo tamin’ny fibaikoana ihany koa izy ireo, mba hijery ny mahasoa ny fianan’ny Polisim-pirenena sy ny fepetra arak’asa, mba hahamora ny fiarovana ny ain’ny vahoaka.
Niraisan’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena ny antso amin’ny fiaraha-mitady vahaolana, mba hiverenana amin’ny firaisan-kina sy ny fahavononana hiasa.