• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Foloalindahy : Niravona ny disadisa teo amin’ny Tafika malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena

13/10/2025 15:30 © Moov

Taorian’ny korontana sy ny azo lazaina ho ady nisy teo amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika malagasy, ny faran’ny herinandro teo dia niravona izany, androany.

Tsy vahaolana ny fifandonana

Nitarika ny fivoriana tamin’izany ny Lehiben'ny Etamazaoro, ny Jeneraly Pikulas Démosthène sy ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena (COMGN) ny Jeneraly Nonos Mamelison Mbina. Notronin’ireo Minisitra roa tonta ary nahitana ny ambaratonga rehetra. Tapaka tao anatin’izany fa nifanaiky ny andaniny sy ny ankilany fa tsy lalana tsara mankany amin’ny filaminana ny fifandonana. Samy resy lahatra ihany koa izy ireo fa tokony hifampiresaka sy hifampihavana amin’ny maha-malagasy. Raha tsiahivina dia isan’ny niteraka ny olana nisy teo amin’izy ireo ny fahafatesana tafika iray avy amin’ny CAPSAT, voatifitry ny avy ao amin’ny Zandarimariampirenena sy ny fitazoman’ireto farany, Jeneraly iray nandritra ny 10 andro. Nanamafy ny Jeneraly Pikulas Démosthène fa noraisina ho toy ny rano raraka an-tany ny zava-niseho, ka tsy azo raofina intsony, saingy ezahina ny tsy hisian’ny disadisa intsony.

Hiara-hiasa eny an-kianja

Taorian’izany fifampidinihana izany dia nanapa-kevitra ny andaniny roa fa hiverina hiara-hiasa, eny an-kianja indray manomboka izao. Araka izany, samy hampita izay tapaka tamin’izany fivoriana izany, manerana ny Nosy izy ireo. Isan’ny teboka namafisin’izy ireo fa efa misy ny tomponandraikitra mandinika sy mijery ny momba ny fitadiavana lalana hivoahana amin’izao savorovoro izao. Izany no atao dia ny mba hiverenan’ny filaminana tanteraka eto anivon’ny firenena ary hahafahan’ny olona mihary araka ny tokony ho izy, hoy hatrany ny Jeneraly Pikulas Démosthène.
Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny Foloalindahy malagasy. Nanamafy manoloana izany, ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena fa, hisy ny fanadihadiana ho atao, mikasika ireo izay nihoa-pefy, mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka, azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires