• Cours de change
  • 5188.56 AR
  • |
  • $4507.44 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Banky Foiben'i Madagasikara : Hentitra ny fanaraha-maso

18/10/2025 12:57 © Moov

Manara-maso sy mitsirika eny amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara Antaninarenina ny Polisim-pirenena, manoloana ny fisiana fiara mivezivezy mampiahiahy, nanomboka ny maraina teo.

Naharay antso ny Polisim-pirenena fa misy fivezivezena fiara sy olona mampiahiahy eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara etsy Ambohitsorohitra Antaninarenina. Tsy vao tato ho ato no nahenoana izany tranga izany satria maromaro ireo "signalement" nalefana mpanao politika na olon-tsotra mikasika ny "caissons" feno vola mampiahiahy, mivoaka eo anivon'izany Banky Foibe izany, nandritra ny korontana teto amin'ny firenena.

Fiarovana ny harem-pirenena

Vao omaly zoma 17 Oktobra no nanafatrafatra ny amin'ny tsy fanekena ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena ny Kolonely Randrianirina Michael. Nambarany mazava fa "hatao laharam-pahamehana ny fanenjehana ireo fanetriben'ny firenena sy mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena", nandritra ny lahateniny. Noho izany indrindra, mandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana avy amin'ny Service Central des Affaires Criminelles (SCAC) sy ny Brigade Criminelle (BC), ka manatanteraka fanaraha-maso hentitra.

Fepetra matotra

Nahazoana alàlana tamin'ny Goverinoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara ny fisavàna ireo mpiasa mivoaka sy miditra. Natao izany mba tsy hisian'ny mety ho famoahana vola an-tsokosoko, noho ny antony samihafa. Tsy fanaraha-maso hentitra ihany no tanterahina, fa hirosoana ihany koa ny fanadihadiana lalindalina kokoa, mba hipoiran'ny tena marina. Andrasana araka izany ny mety ho tatitra mikasika ity raharaha ity.
Tsara ny manamarika fa tsy maintsy misy hatrany ireo fiara mivezivezy avy amin'ireo Banky tsotra, maka vola hamatsiana azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires