Olan'ny famatsiana herinaratra : Hikaroka vahaolana ny fitondram-panjakana vaovao
Nitsidika ny Toby famokarana herinaratra ny ekipan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, niaraka tamin'ireo solontenan'ny tanora, androany sabotsy 18 oktobra.
Efa nambaran'ny Kolonely Michael Randrianirina tao aorian'ny fianianany teny amin'ny HCC omaly, fa hitsidika ny JIRAMA ny tenany.
Fizahana ny olana misy
Tsy azo odian-tsy hita ny olan'ny Famatsian-jiro sy rano, izay antony lehibe nanombohan'ny krizy teto Madagasikara. Mila vahaolana haingana sy maharitra tokoa mantsy ny rehetra, mba tsy hiverenan'ny fitakiana an-dalambe, izay mety hitarika fahasarotana samihafa indray.
Tamin'ity androany ity, fitsirihana ifotony ny olana mikasika ny famokarana herinaratra no notanterahina, teny Ambohimanambola. Tamin'izany indrindra dia tsikaritra fa marobe ireo sakana sy tsy fahatomombanana mahatonga ny tsy fahampian'ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina.
Fitadiavana vahaolana
"Betsaka ny olana hita nandritry ny fitsidihana, misy ireo afaka vahana ao anatin'ny fohy ezaka, ao ihany koa ireo mila fotoana, fa ho ezahina jerena ny hahafahana mamaha izany", hoy ny Kolonely Michael Randrianirina. Araka izany, tsy ho voavaha miaraka avokoa ireo olana misy, satria miankina amin'ny fahasarotana misy sy ny fahafaha-manao ny fiovana entina. Misy ireo tetikasa lavitr'ezaka, izay mila fotoana maharitra ny fanatanterahana azy. Ny azo antoka kosa nefa, hisy ireo teboka ho vahana ao anatin'ny fotoana fohy. Mbola tsy nisy resaka kosa hatreto ny mikasika ireo mpitantana ambony ny JIRAMA, indrindra ny Tale Jeneraly.
Andrasana araka izany izay mety ho fanambarana mikasika ireo vahaolana hampiharina, mba hanamaivanana ny fahatapahan-jiro. Tsara ny manamarika fa mifampiankina ny jiro sy ny rano. Rehefa mitombo ny fahafahana mamokatra herinaratra dia mihena ny olan'ny famatsian-drano. Saika milina mandeha amin'ny herinaratra mantsy no manodina sy manosika ny rano fisotro madio avy amin'ny JIRAMA.