Ray manolana ny zanany vavy na mivady aminy : fomba sa aretin-tsaina ?
Tato ho ato dia mipoitra tsikelikely ireo mpitoroka ny tranga fanararaotana ara-nofo nataon'ny ray niteraka na raibe. Ireo niharan'ny fanolanana naharitra sy niverimberina no tena sahy mitaraina.
Fomba Malagasy ve ?
Tsy vitsy ireo mamboraka any amin'ny tambazotran-tserasera Facebook fa misy vondron'olona eto Madagasikara manome vahana ny ray "hisantatra" ny fahadiovan'ny zanany vavy, mialoha ny hanambadian'ity farany. Heverina fa "valibabena" noho ny fikarakaran'ilay ray ny zanany vavy izany ilay miara-mandry aminy voalohany. Indray mandeha tsy miverina moa ilay "fomba" ka tsy dia haharaisana fitarainana loatra. Efa eken'ilay fiarahamonina rahateo izany ka tsy misy manana eritreritra hoe tsy mety izany ka 'ndeha torohina na ovaina. Azo lazaina izany fa mbola misy tarazo manimba taranaka izay hita eny amin'ny fiarahamonina eny. Manome vahana ny raim-pianakaviana izany hampihatra fahefana tafahoatra amin'ny zanaka vavy.
Na inona na inona antony, voararan'ny lalana eto Madagasikara ny fiarahana amin'ny zanaka na havana. Raha misy fitorohana tranga mifandraika amin'ny fanerena hiray ara-nofo amin'ny ray na havana akaiky, noho ny antony samihafa, dia iharan'ny sazy ilay "mpanolana" sy ireo mpiray tsikombakomba. Matetika nefa dia toa efa resy lahatra ireo iharan'ny herisetra fa fanomezana lehibe ho an'ilay ray niteraka ny firaisana ara-nofo aminy voalohany.
Aretin-tsaina ve ?
Misy kosa ireo ray mitsiriritra tsotr'izao ny zanany vavy ka manolana ity farany mandritra ny fotoana maharitra. Misy mihitsy aza ireo miteraka amin'ilay zanany vavy. Amin'ny ankapobeny dia ny filana ara-nofo tsy voafehy aloha no tena manosika ny lehilahy hanao izany. Tsy afa-manda ilay zanaka noho i dada heverina ho mpiaro hatrany sy tsy hanao ratsy mihitsy. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa mitsiry fitiavana amin'ilay zanany vavy mihitsy ilay rainy ka tsy avelany hisy lehilahy hafa hiditra intsony.
Azo lazaina fa aretin-tsaina nefa ny fivadiana na fanararaotana ara-nofo ny zanaka nateraka. Fahapotehana no ao ambadik'izany, na dia indray mandeha monja aza ilay firaisana ara-nofo. Ilay ray dia manapatra fahefana satria "ny ray aman-dreny hono tsy mba diso", ka hihevitra ny tenany ho zavatra amin'ny tranga rehetra. Tsy mahatsapa tena ho diso izy satria heveriny fa fananany manontolo ilay zanany ka anaovany izay tiany rehetra. Ilay zanaka kosa misy fisavorovoroana ara-tsaina izay mety hanosika azy handray fanapahan-kevitra tsy voahevitra isan-karazany amin'ny fiainany. Raha manan-janaka vavy ohatra izy afaka taona vitsy, dia heveriny fa azo ekena raha hampiharan'ny vadiny herisetra ihany koa ilay zaza na tanora vavy.
Miteraka olana amin'ny fianakaviana ihany koa ny fitoriana ny ray niteraka. Noho ny fitandrovana ny fihavanana, ilay zanaka vavy niharan'ny fanararaotana ara-nofo indray matetika no iadivan'ny havany. Tsy mora rahateo ny vesatra psykolojika mihatra amin'ireo nampigadra ny rainy. Mbola maro araka izany ireo sakana mahatonga ny zanaka vavy naolan'ny rainy mangina.
Inona ny fepetra tokony raisina ?
Tsy itandrovana fihavanana na ijerena masom-bahoaka ny herisetra. Amporisihana izany ireo zanaka vavy mety niharan'ny fanararaotana ara-nofo nataon'ny rainy mba hitoroka, na efa tany aloha aza izany no nitranga. Raha tafavoaka ny tokantranon-dray aman-dreny ihany mantsy ny vavimatoa ohatra, mety ny zandriny vavy indray no ho araraotin'ilay rainy.
Mba hisorohana ny tranga fanolanana kosa, indrindra amin'ireo zazavavy tsy ampy taona, tsara raha tsy ankinina loatra amin'ny olompady ny fitaizana : ray, anadahy, dadatoa, dadafara, sns. Mila manara-maso tsara ny reny na ireo vehivavy lehibe ao amin'ny fianakaviana. Ampianarina ny ankizivavy, dieny mbola kely, mba tsy ho zatra hiboridandridana eo imason'ny olom-pady. Tsy amporisihina mihitsy ny fifanorohana eo amin'ny molotra eo amin'ny ray sy ny zanaka vavy. Tsy tokony hiara-hatory amin'olom-pady ihany koa, rehefa manomboka mahasara-pandriana ny zazavavikely. Raha manana efitrano manokana ireo zanaka ao an-trano, tsy atambatra ny lahy sy ny vavy.
Etsy andaniny, mbola ilaina hatrany ny fanabeazana na ho an'ny olon-dehibe aza. Mbola maro dia maro mantsy ny ray aman-dreny manapa-pahefana amin'ny zanaka ka mampihatra herisetra ara-batana na ara-tsaina. Tsy azo adino fa mbola misy eto Madagasikara ny ray aman-dreny mivaro-janaka na mivantana na an-kolaka, indrindra amin'ny fanambadiana.