Mihena ny filàna ara-nofo : ireo torohevitra natoraly hanarenana izany
Ny filàna ara-nofo na ny faniriana hiray ara-nofo dia mety miovaova miaka-midina. Misy fotoana aza izy io dia manjavona mihintsy mandritra ny fotoana maharitra. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra natoraly manampy mba handrisihana indray ny filàna ara-nofo.
Ireo antony mety mampihena ny filàna ara-nofo
Rehefa mandeha ny fitoana sy ny taona dia mety mihena ny filàna ara-nofo na ny faniriana hiray ara-nofo. Samy voakasik’izany avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy. Maro ireo antony mety mampihena azy io, toy ny havizanana, ny fikorontanan’ny hormonina, ny rarintsaina mitoetra, ny tebibety, ny tsy fahampiana vitamina sasany na koa ny aretina sasany. Manampy amin’ny fanarenana io tsy fihenan’ny filàna ara-nofo io ny fifampiresahana milamina eo amin’ny mpivady. Misy ihany koa ireo fikafika sy torohevitra natoraly azo ampiharina.
Ireo fikafika natoraly handrisihana ny filàna ara-nofo
Maro ireo torohevitra natoraly azo ampiharina mba hanairana indray ny filàna ara-nofo na ny faniriana hiray ara-nofo. Anisan’izany ireto zaraina manaraka ireto.
Mihinana sakafo « aphrodisiaques » na manaitaitra ny filàna ara-nofo
Misy karazana sakafo malaza ho manana fiasa « aphrodisiaques » na hoe manaitaitra ny filàna ara-nofo. Ny fihinanana azy ireo matetika dia mety mampitombo sy hanentanentana indray ny faniriana te hiray ara-nofo :
-Ny « chocolat noir » izay manankarena « phényléthylamine » ka mandrisika ny fampokaran’ny vatana « endorphines ». Ireto farany dia sady manaitaitra no manatsara ny « bien-être » ;
-Ny sakamalaho. Azo ampiasaina atao « jus », dite na hoanina amin’izao izy io mba handrisihana ny fikorian’ny rà sy hampitomboana ny hery ;
-Ny « huîtres ». Manankarena « zinc » ary mandray anjara amin’ny famokarana « testostérone » izay hormonina lehibe amin’ny fandrisihana ny filàna ara-nofo eo amin’ny lehilahy izy io ;
-Ny sakay. Mandrisika ny fikorihan’ny rà ary mitarika fahatsapana hafanana mampientanentana ny vatana.
Mampiatra fomba fiaina ara-pahasalamana
Isan’ny miantoka ny filàna ara-nofo ny fitandrovana ny fahasalamana ankapobeny. Anisan’ireo zavatra tokony atao ny :
-Fanaovana fanantanjahantena na fampiasana vatana matetika mba handrindrana ny fikorian’ny rà sy hamokaran’ny vatana « endorphines » ;
-Fialana sy famerana arak’izay azo atao ny rarintsaina mba hananana filaminan-tsaina sy « énergie sexuelle » ;
-Ferana ny toaka sy ny sigara noho izy ireny mety mampihena ny filàna ara-nofo rehefa ela ny ela ;
-Fihinanana sakafo voalanjalanja sy mitondra ireo otrikaina ilain’ny vatana sy ny saina ;
-Fatoriana tsara. Ilaina amin’ny fandrindrana ny horomonina sy ny fandrisihana ny faniriana ara-nofo izany.
Oviana no tokony manantona mpitsabo ?
Raha efa natao avokoa ireo ezaka sy torohevitra natoro ireo nefa mbola tsy mety miakatra ny filàna ara-nofo dia tsara ny manantona mpitsabo, indrindra ny mpitsabo manokana ara-pananahana.



