Fahasalaman'ny taovam-pananahana : Ireo fomba fanasana atin'akanjo
Sarobidy tokoa ny fahasalaman'ny taovam-pananahana. Tsy azo atao tsinontsinona ny fanadiovana sy fikarakarana ny atin'akanjo, izany hoe ny "silipo", na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy.
Tsy vitsy ireo mivoaka tsiranoka hafahafa. Manampy trotraka ihany koa ny hidihidy na fofona ratsy amin'ny taovam-pananahana. Matetika nefa dia tsy sahy mitaraina amin'ireo manodidina azy ireo manana olana amin'ny taovam-pananahana, noho ny mety ho fitsaratsarana fahatany fa ny olona "miray amin'olona mihoatra ny iray" no tokony tratran'izany.
Fomba fikarakarana ny silipo
Miantoka amin'ny ampahany betsaka ny fahasalamana ara-pananahana ny fahadiovan'ny silipo anaovana. Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy :
-Savony "tsotra", "tsy misy hanitra" ihany no hanasana silipo. Savony "Nosy" ohatra no ampiasaina. Marihana fa tsy azo atao ny mampiasa vovon-tsavony ;
-Alona amin'ny rano mafana aloha ny silipo sasana, ary asiana savony sy kosehina tsirairay. Kosehana tsara ny faritra ampovoany, ilay mikasoka amin'ny taovam-pananahana ;
-Kobanina tsara mba hiala tanteraka ny savony ;
-Atapy amin'ny toerana azon'ny masoandro tsara fa tsy ao amin'ny "douche" ;
-Pasohina tsara vao anaovana.
Amporisihina ny rehetra mba ho atin'akanjo "coton" 100% ihany no ampiasaina. Mitazona mikraoba samihafa sady tsy mitroka hamandoana mantsy ny silipo raha toa ka mifangaro akora hafa. Tsy tokony hifampindrana na hifamadika silipo, na ny mpivady aza.


