Olona mamolava : Tena tsy hiova intsony tokoa ve ?
Mamolava i dada na i neny : zava-misy iainan'ny tokantrano malagasy maro izany. Matetika dia miaina fahasahiranana ara-bola ny akohonana rehefa miankindoha amin'ny toaka ny iray na ny roa amin'ny mpivady. Tena tsy misy fiovana azo antenaina tokoa àry ve ?
Tsy mitondra vola mody, tsy afaka miasa intsony, mandry an-tatatra, maratra lava noho ny fianjerana etsy sy eroa, bokan-trosa, … Tsy misy fiadanana tokoa ny fiainan'ireo akaiky ny olona mamolava. Ny fisotrosotroana kely nefa no mety mahalasa mpisotro toaka ikoizana, rehefa tsy hay ny mifehy tena.
Fanohanana ara-tsaina
Tsy tongatonga foana ny fitiavana alikaola. Matetika dia noho ny tranga tsy zaka no mahatonga ilay fiankinandoha : fahafatesan'ny olona akaiky tampoka, fahaverezana asa, ditram-bady, sns. Misy ihany koa ireo tsy mahatoky tena tsotr'izao ka tsy mahavita na inona na inona mihitsy raha tsy "mandray kely". Tsy vitsy ihany koa ireo te hoderain'ny namana hoe "tsy mety mamo" ka lasa toakalahy na toakavavy tsy laitran'ny balan'ny fananarana intsony rehefa mandeha eny ny fotoana.
Mila fanohanana manokana ireo lavo amin'ny fisotroan-toaka tafahoatra. Mampiahiahy ny olona iray rehefa hahenoana fofona alikaola isan'andro. Porofo tsy azo lavina ihany koa ny mety fihenan'ny vola entina ao an-trano na ny tsy fodiana ao an-trano raha tsy alimbe na maraina mihitsy. Ny voalohany azo atao dia ny fifampiresahana tsotra, mba hamahana ilay olana fototra. Tsy vahaolana mihitsy ny vavaratsy sy ny fandatsana, satria voa maika hamotika ny maha-izy azy ilay olona izany. Azo ampahafantarina tsara ilay olona mpisotro ny "gafy" nataony sy ny fiantraikan'izany rehefa tonga saina tsara iny izy. Misy ohatra ireo mitrosa eny amin'ny bar ka mahasahirana ny vady aman-janaka, raha misy kosa ireo mamotika entana sy mamono ao an-trano.
Ny faharoa dia ny fanohanana ilay olona mba hiala tsikelikely amin'ny alikaola. Ampitomboana ohatra ny fialamboly iarahan'ny ankohonana manao mba tsy ho variana any ivelany miaraka amin'ny naman-dratsy i dada na i neny. Tsy azo avelavela irery ny mpisotro toaka, indrindra raha mamoy fo izy, satria mety hisotro fatra betsaka loatra ka ho tratran'ny "coma éthylique".
Fitsaboana manokana
Efa zava-dehibe ny fanohanana ny mpisotro toaka ho afaka amin'ny fahazaran-dratsiny. Voa maika misy fanantenana raha ilay mpisotro mihitsy no efa resy lahatra fa hiala amin'ny alikaola. Tsy ampy nefa izany, satria mety hiverina hisotro be indray izy amin'ny fotoana tsy ampoizina.
Tsara raha manaraka "programme de désintoxication" ny mpisotro toaka te hiova. Misy ny "intervetion médicale" izay hanalana ny alikaola rehetra amin'ny vatana. Etsy ankilany, tsaboina ihany koa ilay olona noho ny vokatry ny alikaola mamotika ny atidoha, ny vavony, ny aty, sns. Raha sanatria efa misy taova potika dia mety ho sarotra ny fitsaboana, ary mety hamoy ny ainy mihitsy aza ilay marary. Tsy tokony hiandry aman-taonany maro ny fisotroana tafaoatra, mba hitandrovana ny aina. Matetika nefa dia tsy mety hiala amin'ny toaka ilay mpisotro raha tsy efa reraka tanteraka ny vatany.
Mila faharetana sy fahafahana ara-bola ary fanohanan'ny manodidina ny fialàna amin'ny toaka. Izany indrindra no anentanana ny tsirairay tsy "hankafy" ny zava-mahadomelina amin'ny endriny rehetra, mba hananana hoavy mamiratra.