Philophobie : Tahotry ny ho latsa-pitiavana !
"La peur de tomber amoureux", izay no atao hoe "Philophobie". Tsy miditra amina fiainam-pitiavana mihitsy ilay olona, na manana fiainam-pitiavana tokoa, saingy mitia amin'ny saina fa tsy amin'ny fo.
Ny hoe "latsa-pitiavana" dia tia ilay "partenaire" amin'ny saina sy ny fo, babo tanteraka. Rehefa "Philophobe" ny olona iray dia tsy manaiky mifamatotra amin'olona mihitsy. Misy kosa ireo sahy manao sipa na manambady mihitsy aza, efa tsy manolotra ny fony ho an'ilay olona : mitazona elanelana izy mba hiarovana ny tenany.
Ny "Philophobie", ratra azo avy amin'ny zavatra niainana
Matetika dia olona voadonam-pitiavana na niaina tao anaty tokantrano nisy olana ara-pitiavana no lasa "Philophobe". Fahadisoam-panantenana no tena mahatonga izany, noho ny fivadihan'ilay olona tena nitokisana, ny fahafatesan'ilay olontiana na fahitana ny adin'ny ray aman-dreny. Manimba ny zanaka ny fahitana ireo ray aman-dreny misaraka na toa milamina ivelany, saingy manana fiainana hafa any ivelany.
Ny "Philophobie", azo sitranina tsara
Tsy voatery ho fantatry ny olona iray ny maha-"Philophobe" azy. Raha manahy ny manodidina ilay olona hoe manana io olana io izy, dia azo atao tsara ny manampy.
Ny ankamaroany aloha dia tsy te hierika hiditra anaty fifandraisana ara-pitiavana intsony mandritra ny taona maro. Na misy aza ireo olona manintona azy dia iniainy hodiana tsy hita izany noho ny tahotra ny ho avy ratsy indray. Lasa "vieille fille" na "vieux garçon" ilay olona. Misy indray ireo sitrana tsikelikely, ka sahy miaraka amin'olona indray, saingy tsy latsa-paka ilay fitiavana. Famaliana faty na fanasitranana fery na fanapenana ny vavan'ny fiaraha-monina fotsiny ny fiarahana amin'ilay olona vaovao. Io tranga io nefa no mamotika tokantrano maro. Toa ny manery tena mantsy ilay olona ka mety ho saropiaro tafahoatra, hampijaly ara-tsaina, hanao didin'ny be sandry, hampihatra herisetra na koa hanalavitra tsotr'izao ilay miaraka aminy.
Fitsaboana sarotra sady maharitra
Samy manana ny fomba iatrehany ny fianany ny olona "philophobe" na misafidy ny hijanona ho irery izy na hiaraka amin'olona ihany. Mazava ho azy, mila fotoana ny fitsaboana, ary mila finiavana lehibe avy amin'ilay voakasika. Raha ny tsara indrindra, tokony sitrana tanteraka ny "philophobie" vao miditra ao anaty fiainam-pitiavana vaovao. Araka ny voalaza etsy ambony, manimba tena sady manimba ilay olona miaraka aminy ny "philophobe" raha mbola tavela ao aminy ny tahotry ny ho latsa-pitiavana nefa miroso amin'ny fiarahana amin'olona na amin'ny fanambadiana mihitsy.
-Autoguérison : Raha tonga saina tsara, te ho sitrana sady te handroso ilay "philophobe" dia afaka mitsabo tena. Mandeha amina toerana mangina sy mahafinaritra, mitadidy sy manao veloma ireo tranga rehetra nanahirana. Mampisy "motivation" ihany koa ny mijery tantaran'olona efa voadonam-pitiavana nefa nahita ny tiany sady tia azy. Raha nisy olona nandratra, azo atao tsara ny mangataka fihaonana mba hifamelana izay tsy nifanarahana fahiny.
-Accompagnement : Raha lasa mitokatokana sy tsy manankery entina mandroso ilay "philophobe", tena ilainy ny "accompagnement". Olona akaiky na "psychologue" no manampy mba hanaiky ny lasa sy hanantena hoavy vaovao. Ampianarina amin'izany ny ho latsa-pitiavana, nefa tsy miankindoha be loatra amin'ilay olona tiavina. Averina ny fahatokisantena mba hisokatra amin'ny hafa nefa tsy ho potika raha misy fiovan-javatra.
-Hospitalisation : Mila miditra amina "centre psychiatrique" ilay olona "Philophobe" raha toa ka mila fitsaboana sady tsy tompon'ny tenany intsony. Rehefa mafy loatra mantsy ilay dona nahazo na ilay fiainana niainana dia mety lasa marefo ara-pahasalamana, sady manana olana ara-tsaina. Mety tena haharitra ny fotoana ilaina amin'ny fitsaboana, ary mila olona akaiky manohana tsara satria tsy ho mora ny fiverenana eo anivon'ny fiaraha-monina.