Dada sy neny : Fitaratry ny zanaka, na amin'ny tsara na amin'ny ratsy
"Référence par défaut"-n'ny zanaka ny Ray aman-dreny. Raisin'izy ireo ho fitaratra ireo olondehibe ireo amin'ny zavatra sy ny sehatra rehetra. Na ny tsara na ny ratsy dia misy fiantraikany amin'ny zanaka avokoa : tarana-boanjo foto-boanemba ; tsy misy vorondolo miteraka voromanga.
Fitondran-tena, fanao sy toetra
Tsy ny fananarana loatra no maha-hendry ny ankizy. Ny fanaon'ireo ray aman-dreniny ihany no ataony, ka na ratsy aza dia heveriny fa tsara. Na hiteny foana aza i dada sy i neny hoe "tsy tokony hiteny ratsy", "tokony hahalala madio", "tokony tsy ho variana amin'ny fahitalavitra sy finday", nefa manao izany dia ho very maina foana izany. Tsy mora ny ho fitaratra, satria tokony hitan'ny ankizy taratra ny fanajan'ny lehibe ireo "fepetra" na "fomba fiaina" maromaro ifampitaizana. Sarotra ho an'ny ray aman-dreny mamolava na mpifoka sigara ohatra ny handrara ny zanany tsy handray zava-mahadomelina. Raha zatra "mivoaka alina" ireo ray aman-dreny rehefa faramparan'ny herinandro iny, tsy maintsy hanita-kevitra tsy hodiana ao an-trano ireo ankizy na ho ela na ho aingana. Raha be famaliana ny ankizy, mety noho ny fahenoany ny fifamaliana mafy be fanaon'i dada sy neny na ny fikitakitana lava no anton'izany. Raha tsy manaiky izay lazaina ny ankizy na mampiseho fihetsika mahery hanoherana ny lehibe, mety efa nahita an'i dada na i neny tezitra mafy izy ka nivazavaza sy nanipy entana tao an-trano.
Raha malefaka fiteny, malady mihaino, be fitiavana sy tia filaminana i dada sy neny ao an-trano, hanahaka izany rehetra izany ny ankizy. Raha mpitabataba sy mpanambany ny mpiasa an-trano sy ny olona manodidina i dada na i neny dia tsy mahagaga raha mpanavakavaka sy tsy mahay manetry tena ny ankizy. Mety misy fitaizana tsy tomombana any an-tsekoly na any amin'ny fiarahamonina hafa, saingy matanjaka kokoa ny ohatra azo tsapain-tanana omen'ny ray aman-dreny isan'andro.
Asa sy fivelomana
Nofinofin'ny ray aman-dreny rehetra ny hoe hanana toerana ambony sy hanatanteraka asa tsara lavitra noho ny ataony ny zanany any aoriana any. Mety hikely aina tokoa izy ireo mba hahatafita ny zanaka ho lasa lavitra. Tsara nefa ny mampahatsiahy fa somary voafetra ny "vision"-n'ny zanaka. Ny asan'i dada sy neny mantsy no mety heveriny fa lafatra, satria antoka hananany izay rehetra ilainy. Marobe ohatra ireo zanaka mpivarotra no manampy na mandimby ny ray na ny reniny amin'ilay asa, na dia nahavita fianarana ambony tamina sehatra hafa mihitsy asa.
Misy akony lehibe amin'ny ankizy ihany koa ny fahaizan'i dada sy i neny "miketrika" rehefa tojo olana ara-bola na hanao tetikasa goavana iny : nanao vadin'asa ve ohatra sa nindram-bola tamin'olona/ banky. Raha sanatria mpanao kolikoly amin'ny endriny samihafa i dada na i neny any am-piasana, mety tsy hazoto hianatra firy sy hiandry handimby toerana fotsiny ilay zanaka.
Afaka mamporisika ny zanany hihoatra azy ny ray aman-dreny, amin'ny alalan'ny fanohanana azy amin'ny nofinofiny. Fadiana mihitsy ny manery ny ankizy hanatanteraka ireo nofinofy tsy tanteraka : "tsy maintsy lasa dokotera na pilote ny zanako fa faniriako izany nefa tojo olana aho tamin'izany". Raha mifanjohy amin'ilay nofinofy ny asa tian'ilay tanora atao, arahaba soa arahaba tsara. Raha làlana hafa moa no tiany hizorana dia tokony manampy azy hatramin'ny farany, fa tsy manao izay hiovany hevitra na mandatsa raha misy tsy fahombiazana.
Fitiavana
Zava-dehibe tokoa ny fitohizan'ny taranaka. Lalam-piainana mahazatra ny hoe manambady ny ankizy rehefa mahavita fianarana sy mahita asa mahavelona ankohonana. Miankina betsaka tamin'ny fomba fiaina sy ny fanabeazana voaray teo anivon'ny ray aman-dreny nefa ny hoavin'ny tokantranon'ny zanaka. Misy fahamarinany ilay hoe "raha rava tokantrano ny ray aman-dreny dia tsy maharitra ny tokantranon-janaka", na dia azo atao aza ny manoratra pejy vaovao tsy hahatsiarovana izay mety "tsy faka tahaka" tamin'ny fiainam-pitiavan'i dada sy neny.
Amin'ny ankapobeny dia hoentin'ny zanaka any an-tokatranony avokoa na ny fomba firesak'i dada sy neny, na ny fifampikarakarana, na ny fandaminana ny ao an-trano, na ny fitantanam-bola, na ny fomba famahana olana, na ny fanaovana adidy amin'ny fianakaviana, sns. Raha mpandanilany foana na zatra mpanapa-kevitra irery na mpikitakita i dada sy i neny dia ireo no heverin'ilay zanaka fa "normes" amina tokantrano iray. Raha ny zanaka vavy no mahita fa mandefitra be ny reniny manoloana ny fanitsakitsahana ataon-drainy, dia mety hiharitra fampijaliana maro ihany koa izy any an-tokatranony. Raha ny zanaka lahy no efa zatra mahita an'i neny tsy refesi-mandidy sady manao izay tiany amin'ny vola rehetra ao an-trano, ho lojika aminy ny hoentin'ny vadiny amin'ny sangany. Tena jeren'ny ankizy ihany koa ny fifandraisan'ny vinanto sy rafozana. Ho vinanto mpigafy na mpanao tsinontsinona ny havam-badiny izy raha izay no ohatra nomen'i dada na i neny azy.
Inona àry no atao mba hananana taranaka vanona ?
"Tsy misy zaza maditra na hendry, fa Zaza tsara na ratsy taiza no misy". Ny ray aman-dreny mendrika ihany no manana taranaka vanona. Ny toetra sy ny fanao aseho rehetra dia misy fiantraikany hatrany amin'ny zafikitrokely. Tsy misy olona tongalafatra nefa. Na izany aza, azo atao tsara ny miezaka mba ho fitaratra tsara ho an'ny zanaka amin'ny lafiny rehetra.
-Fifandraisana ao an-tokantrano : Tsy tsara raha mifamaly eo imason'ny ankizy ny lehibe. Rehefa misy zavatra mampiady dia aleo mihidy an'efitranon'ny lehibe, ka miresaka milamina. Ianarana mihitsy ny fitoniana sy ny fitenenana mendrika satria sady fanajana ny hafa izany no fanabeazana ireo zanaka.Tena tsara ny manao "activités" iombonana na mitsangatsangana rehefa faran'ny herinandro, mba tsy ho samy variana ny rehetra. Tsy dia mety loatra ny mbola manohy ny asa tsy vita na milalao finday ela loatra rehefa ao an-trano.
-Fifandraisana amin'ny hafa : Mahomby kokoa ny fitaizana rehefa "cool" amin'ny olona rehetra i dada sy i neny. Misy ny fotoana mety hampasiaka, saingy tokony misy antony mazava izany, ary mety kokoa raha fifandaminana amim-panajana hatrany no atao. Samy miezaka ny lehibe mba hanaja olona sy tsy hanavakavaka, na manana toerana ambony aza. Hahafahan'ny ankizy mahalala ny olona azo sy tsy azo itokisana ihany koa ny fifandraisan'ny ray aman-dreniny amin'ny fianakaviana, ny namana sy ny manodidina.
-Asa : Tena mahasoa ny ankizy ny mahita ireo ray aman-dreny mifofotra mafy. Lesona tsara ohatra ny mahita an'i dada manao asa tselika ka nahafahana nanao trano na nividy fiara. Tsapany amin'izany fa tsy mora ny mitady vola. Mety hanimba ny hoavin'ny ankizy ny fahitana hoe mifikitra amina asa iray efa tsy mahomby sady miaritra ny fanambanian'ny mpampiasa i dada na i neny. Tsara kokoa ny maka "risques" na dia tsy maintsy mihafy aza ny ao an-tokantrano mandritra ny fotoana fohy na maharitra.
-Fitaizana : Maro ireo ray aman-dreny be fitiavana sy azo lazaina fa "fitaratra mendrika" no mbola miharitra ditran-janaka isan-karazany. Amporisihana ny fifaneraserana amin'ireo ray aman-dreny hafa, na ihany koa ny fanatrehana ireny "école des parents" ireny. Miezaka mihaino sy mitady vahaolana miaraka ny mpianakavy, fa tsy mifampifahavalo raha tojo sarotra. Raha misy olana amin'ny zanaka, tsy fanao ny mibedy azy eny imason'olona, fa aleo miresaka milamina any an-trano. Raha sanatria misy hadalana ataon'ny zanaka ka mahavoasazy azy, dia avela hizaka ny saziny izy mba ho anatra ho azy izany.