• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

« Grossesse non évolutive » : ireo fambara tokony hampanahy

12/03/2025 16:14 © Moov.Mg

Tsy voaresaka matetika ny mikasika ny « grossesse non évolutive » nefa dia maro ny vehivavy voakasik’izany. Ahoana ny fomba ahafantarana ny « grossesse non évolutive » ? Inona avy ireo mety ho antony ? Inona ny fandraisan-tanana azo atao ?

Inona no atao hoe « grossesse non évolutive » ?

Ny atao hoe « grossesse non évolutive » dia ny fahafatesan’ny zaza ao an-kibo na ny fahafahan-jaza alohan’ny faha 20 herinandro ny vohoka. Izany hoe tsy nitombo intsony ny « embryon » na ny « fœtus » ka tsy afaka mitohy ny vohoka.

Ireo antony mety mahatonga ny « grossesse non évolutive »

Maro sy miovaova ireo antony mety mahatonga ny « grossesse non évolutive » ka indraindray mety tsy voafaritra mazava izy ireo. Anisan’ireo anton-javatra matetika mety mitarika azy io ny :
-Tsy fahatomombanana eo amin’ny « chromosomes » ka miteraka « anomalie génétique » an’ilay « embryon » ary mahatonga azy tsy mitombo ara-dalàna ;
-Olana eo amin’ny tranon-jaza, toy ny « malformations utérines », « fibromes » na « adhérences » izay manakana ny fipetrahana na ny fitombon’ny « embryon » ;
-Fikorontanan’ny hormonina, toy ny tsy fahampian’ny « progestérone », izay manakana ny fivoaran’ny vohoka ;
-« Infections », misy ireo aretina sasany mahazo ny bevohoka toy ny « toxoplasmose », « rubéole »… izay mety mahafa-jaza ;
-Anton-javatra mifandray amin’ny fomba fiaina, toy ny fifohana sigara, fisotroana toaka na kafe be loatra mandritra ny fitondrana vohoka ;

Ireo fambara mety ahafantarana ny « grossesse non évolutive »

Tsy voatery mitovy ny fambaran’ny « grossesse non évolutive » rehetra, miankina amin’ny « stade » an’ilay vohoka sy ireo antony. Anisan’ireo fambara tokony hahamailo ny :
-Fandehanan’ny rà, na kely na betsaka, mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Fanaintainana na « crampes » ao amin’ny kibo ;
-Afaka tamboka ireo fambaran’ny fitondrana vohoka toy ny maloiloy, manaintaina ny nono… ;
-Misy « tissus » na vaingan-drà mivoaka avy any amin’ny fivaviana.

Ny fandraisan-tanana ny « grossesse non évolutive »

Ny fanaovana « échographie » na ny fanaovana fitiliana rà no fomba azo antoka hahitana sy hamaritana ny « grossesse non évolutive ». Raha voamarina fa afa-jaza ilay bevohoka na maty ny zaza ao an-bohoka dia ny mpitsabo ny mamaritra ny fandraisan-tanana mila atao. Amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny « stade » an’ilay vohoka no hamaritany izany. Anisan’ireo fandraisan-tanana amin’izany ny :
-Fiandrasana ny vatana hamoaka ara-boajanahary ireo « tissus » an’ilay vohoka ;
-Fampiasana fanafody mba handrisihana ny fivoahan’ireo « tissus » ;
-« Curetage » izay karazana « intervention chirurgicale » hanesorana ireo « tissus »;
-Intervention chirurgicale (curetage) : Une intervention chirurgicale peut être réalisée pour retirer les tissus de la grossesse.

Lire la suite

Articles Similaires