• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Centre D'Information Sur L'Eau
Image
Reny&Zaza

Bevohoka: Ireo mila tandremana mandritra ny fitondrana vohoka

26/03/2024 09:40 © Moov.Mg

Tsy aretina ny mitoe-jaza ka noho izany dia afaka miaina tsara toy ny rehetra ny bevohoka. Misy kosa nefa ireo zavatra mila tandremana mandritra ny fitondrana vohoka mba hiarovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao an-kibo. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Ny fitaniana andro maharitra

Tandremana tsara ny fitaniana andro maharitra mandritra ny fitondrana vohoka. Ny taratry ny masoandro dia mahatonga ny fipoitran’ireo tasy amin’ny hodi-tava na ireo atao hoe « masques de grossesse ». Matetika ihany koa ny bevohoka dia tsy mahazaka ny hafanana entin’ny hain’andro. Izany dia mety mahatonga fivontosan’ny ranjo, varisy, tsy fahampian-drano mety mahafanina sy malemilemy. Raha tsy maintsy hivoaka ny trano ny bevohoka dia ilaina ny manao satroka, mitondra elo sy misotro rano betsaka.

Ny fihinana sakafo tsy mahasoa

Mila tandremana ny sakafo hanin’ny bevohoka mba hisorohana ireo aretina mety hazo amin’ny sakafo sasany mandritra ny fitondrana vohoka. Mety mahavoa ny aretina « toxoplasmose » ohatra ny hena manta, trondro manta, ny « charcuteries », ny voankazo tsy voadio tsara… Mety mahatonga ny aretina « listériose » kosa ny fihinanana fromazy, ronono manta, voankazo sy legioma tsy voadio tsara, ny atody manta… Misy ihany koa ireo zavatra efa fantatra fa tsy mahasalama toy ny toaka, ny sigara, ny paraky… ka mila fadiana indrindra mandritra ny fitondrana vohoka.

Ny fihinanana sakafo be loatra

Maro ireo mieritreritra hoe mila misakafo ho anolon-droa ny vehivavy bevohoka. Ny marina dia mitombo ny otrikaina ilain’ny vatany satria mankany amin’ny zaza ao an-kibo ny ampahan’izany. Noho izany, mila mihinana sakafo be otrikaina ny bevohoka mba hisorohana ny tsy fahampiana (carence) ao amin’ny vatany sy ny an’ny zaza. Tsy ny habetsaky ny fatran’ny sakafo haniny izany no zava-dehibe amin’izany fa ny otrikaina entin’ireo sakafo. Raha be loatra ny fatran’ny sakafo hanin’ny bevohoka dia mety hampitombo lanja azy sy sy ny zaza fotsiny ihany izany ka hananosarotra ny fiterahana. Tandremana tsara ihany koa ny fatran’ny sira amin’ny sakafo satria mety hampivonto ny vozon’ny tranon-jaza izany rehefa eo am-piterahana.

Ny fihinanana fanafody tsy avy any amin’ny mpitsabo

Tsy azo atao ny manao dokotera tena, indrindra rehefa bevohoka satria mety mitera-doza ho an’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka izany. Maro tokoa ireo fanafody tsy mety amin’ny bevohoka sy ny reny mampinono. Izay indrindra no ilaina ny fandehanana mpitsabo rehefa tojo tsy fahasalamana mandritra ny fitondrana vohoka. Izy no mahafantatra ny fitsaboana tokony atao sy ny fanafody omena ny bevohoka.

Ny fanaovana fanatanjahantena mety hampianjera na havoadoana

Ilaina ny fampietseham-batana mandritra ny fitondrana vohoka. Tandremana kosa mba tsy hanao vizaka be loatra. Azo manao fanatanjahantena toy ny fandehanana tongotra isa-maraina, ny lomano… ny bevohoka. Tsy mety kosa nefa ireo fanatanjahantena mety hampienjera, havoadoana na handratra toy ny hazakazaka, ny baolina, ny taranja haiady…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo