• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Parents
Image
Reny&Zaza

Rononon-dreny : ireo afaka ampiasana azy ankoatra ny sakafon’ny zaza

11/11/2024 16:38 © Moov.Mg

Efa resahana ombieny ny hoe sakafo feno sy tonga lafatra ho an’ny zaza ny rononon-dreny noho izy manankarena otrikaina sy sela velona miaro azy amin’ny aretina maro. Ankoatra ny maha sakafon’ny zaza ny rononon-dreny moa dia misy zavatra samihafa afaka ampiasana azy. Araho ary !

Mampitony sy mitsabo ny lohanon-dreny mitriatra

Tranga mateti-piseho ny hoe mitriatra ny nonon’ny reny rehefa mampinono ny zaza vao teraka. Manaintaina tokoa moa izany ary maharitra andro vitsivitsy vao sitrana. Mba hampitoniana ilay lohanono mitriatra sy hahasitra azy haingana kokoa dia atete kely eo amboniny ny rononon-dreny rehefa avy minono iny ny zaza. Afaka maka coton novontosana rononon-dreny ihany koa dia apetaka eo amin’ilay lohanono marary.

Manamora ny fanalana ny taikombondoha

Ny taikombondoha dia ilay zavatra maintimainty toy ny takopery kely be dia be miraikitra eo amin’ny handrina sy ny lohan’ny zaza menavava. Misy fotoana izy ireny dia miraikitra be sy mirongatra be ka sarotra esorina. Mba hanamora ny fanalana ny taikombondoha dia rarahana rononon-dreny eo amboniny dia avela hilona kely. Avy eo fafana moramora amin’ny coton. Mila atao isan’andro mba ho afaka haingana ireo taikombondoha.

Miaro ny maso amin’ny « conjonctivite »

Mbola marefo ny mason’ny zaza ka mora andairan’ny « conjonctivite » izy ireny. Matetika izany dia miseho amin’ny fivoahan’ny taimaso betsaka mihoatra ny tokony ho izy. Mba hisorohana izany dia diovina amin’ny « sérum physiologique » ny mason’ny zaza avy eo asiana nonon-dreny indray mitete avy ny masony roa.

Mampitony ny elakelam-pe masaka

Ny rononon-dreny dia manana fiasa « cicatrisant » sady « apaisant ». Noho izany dia mandaitra amin’ny fampitoniana ny elakelam-pe masaka eo amin’ny zazakely izy io. Rehefa avy mampandro ny zaza na avy manadio azy iny dia atao maina tsara ilay faritra masaka. Avy eo osorana rononon-dreny kely mba hampitony ilay fanaintainanana sy hahamaina ilay elakelam-pe masaka. Marihana fa raha vao manomboka mivaramena kely ilay faritra masaka no mandaitra ity torohevitra ity. Raha efa masaka be dia mila manantona mpitsabo mba hahazo ny fitsaboana sahaza.

Lire la suite

Articles Similaires