Bevohoka : ireo tsara fantatra mikasika ny « péridurale »
Efa fahenontsika matetika ny hoe mampihena ny fanaintainana mandritra ny fiterahana ny « péridurale ». Maro ireo bevohoka maniry ny hanao azy io rehefa hiteraka. Misy ihany koa nefa etsy andaniny ireo tsy mazoto na matahotra ny hatao azy io. Fa inona tokoa moa ny « péridurale » ? ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika izany.
Inona no atao hoe « péridurale » ?
Ny « péridurale » dia teknika iray fanaovana « anesthésie locale » mifantoka amin’ny fampitoniana ny fanaintainana tsapa mandritra ny fiterahana. Izany dia tanterahana amin’ny alalan’ny fitsindromana « anesthésiant local » anatin’ny faritry ny « péridural » izay eo ambanin’ny lamosina no misy azy.
Io « anesthésiant » io izany no manakana ny fampitana ny famantarana fanaintainana avy ao ambanin’ny vatana mankany amin’ny atidoha. Noho izany dia mahatsapa ny fihetsehan-jaza ilay mpiteraka fa tsy reny be intsony ny fanaintainana miaraka amin’izany. Ampiasaina mandritra ny « césarienne » ihany koa ny « péridurale » ary ambony kokoa ny fatran’ny « anesthésiant » ampidirina amin’izany mba hahadonto ny tapany ambany rehetra.
Ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ny « péridurale »
Maro ireo lafy tsara ny fanaovana « péridurale » :
-Mampitony ny fanaintainana mandritra ny fiterahana ;
-Mahatsiaro tena ilay vehivavy mandritra ny fiterahana ary mandray anjara tanteraka amin’izany ;
-Mihena ny rarin-tsaina satria mihena ny fanaintainana.
Misy ihany koa nefa ireo mety ho lafy ratsiny :
-Tsy afaka mitsangana na mandeha intsony rehefa napetaka ny « péridurale » ;
-Mety misy ny « effets secondaires », toy ny fangovitana, aretina an-doha, fidinan’ny tosidrà… ;
-Mety ela kokoa ny fiterahana eo amin’ny mpiteraka sasany.
Ahoana ny fizotry ny fametahana ny « péridurale » ?
Amin’ny ankapobeny dia misy fizahana ataon’ny mpitsabo « anesthésiste » ny herinandro maromaro mialoha ny fiterahana. Mety ihany koa ny androtry ny fiterahana izany no atao. Amin’io fotoana io ihany koa no hanazavany ny mikasika ity teknika ity sy amaliany ny fanontanian’ilay olona hatao « péridurale ».
Rehefa tonga amin’ny fotoana hametahana ny « péridurale » dia atao mipetraka na atao matory mitsilany ilay olona. Atsindron’ny « anesthésiste » ao amin’ny faritry ny « péridural ilay fanjaitra manokana fampiasa amin’ity karazana « anesthésie » ity. Avy eo apetany ny « cathéter ». Ao amin’io « cathéter » io no ampidiran’ny « anesthésiste » ny fatran’ny « anesthésiant » ilain’ilay olona.
Ireo antony tsy ahafahana mampiasa « péridurale »
Tsy afaka ampiasana « péridurale » ny mpiteraka raha toa ka :
-Manavy ;
-Misy « troubles de la coagulation sanguine » ;
-Mihinana fanafody « anti-coagulants » ;
-Misy aretin-kodirta eo anivon’ny lamosina ;
-Misy « allergie » amin’ny « anesthésiques locaux » ;
-Misy aretina mahazo ny lamosina sy ny « vertèbres » ;
-Rakotra tombokavatsa (tatouage) eo amin’ny faritra hampidirana ny « cathéter ».
-Raha efa mandroso be ilay fiterahana (efa hivoaka ilay zaza).