Zaza ao am-bohoka kely loatra na tsy ampy lanja : ireo tsara ho fantatra
Isan’ireo zavatra jerena mandritra ny fisafoan’ny bevohoka ny habe sy ny lanjan’ny zaza ao am-bohoka. Zava-dehibe ny fizahana izany satria miantoka ny fahasalamana sy ny fahatomombanan’ny zaza ho ateraka. Andeha àry ho resahana eto ireo fanontaniana manitikitika ny saina mikasika izany.
Ahoana ny fomba ny hijerena ny haben’ny zaza ao am-bohoka ?
Anisan’ny fizahana atao mandritra ny fitondrana vohoka ny « échographie ». Amin’ny alalan’ity fitiliana ity no ahafahana manombatombana sy manara-maso ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka. Anisan’ireo refesina amin’izany ny :
-Haben’ny lohan’ny zaza mba ahitana ny fitombon’ny atidohany ;
-Haben’ny kibony mba ahafantarana hoe ampy sakafo izy na tsia ;
-Halavan’ny feny mba ahitana ny halavany.
Amin’ny alalan’ireo refy ireo no hanombatombanana ny lanja sy ny haben’ny zaza ao am-bohoka. Raha toa ka kely tsy mifanaraka ny vohoka (izany hoe firy SA) ny lanja na ny haben’ny zaza ao an-kibo dia lazaina fa misy « retard de croissance utérin » ilay zaza.
Ireo antony mety mahatonga ny zaza tsy ampy habe na lanja ao am-bohoka
Maro ireo antony mety mahatonga ny zaza tsy ampy lanja na habe ao am-bohoka. Tsy voatery ho aretina no mahakely azy fa mety hoe manaranaka na vahana izany. Raha izay no mitranga dia salama tsara ilay zaza na dia kely aza izy.
Misy ihany koa nefa ireo antony hafa avy amin’ny bevohoka izay mahatonga ilay zaza ao an-kibo tsy hitombo ara-dalàna. Mety izany ho vokatry ny :
-Aretina « toxoplasmose », diabeta, « anémie sévère », aretim-po, tosidrà avo… mahazo ny bevohoka ;
-Fifohana sigara na rongony, fihinanana paraky... mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Fisotroana toaka mandritra vohoka ;
-Tsy fahatomombanana eo amin’ny ahitra (placenta) ka tsy mahazo sakafo sy « oxygène » tsara ny zaza ao am-bohoka ;
-Fahanteran’ny bevohoka ;
-Fihinanana fanafody tsy mety amin’ny bevohoka ;
-Tsy fahampian-tsakafo mandritra ny fitondrana vohoka.
Ireo mety ho fiantraikan’izany
Mety mitarika fahasarotana eo amin’ny zaza sy ny reny ny tsy fahampiana lanja na habe eo amin’ny zaza ao an-kibo. Anisan’izany ny :
-Fahaterahana tsy tonga volana ;
-Fahasemporan’ny zaza ao am-bohoka (tsy fahampiana oxygène) ;
-Fikorontanana eo amin’ny fandrindrana ny hafanan’ny vatan’ilay zaza ao am-bohoka (sarotra mahazo hafanana) ;
-Tsy fahampiana siramamy anaty rà dieny vao teraka ;
-Fisian’ny olana any aoriana toy ny tsy fitomboana ara-dalàna, olan’ny taovam-pisefoana… ;
-Fisian’ny fahasarotana eo amin’ny reny eo am-piterahana, toy ny fahaverezan-drà be loatra na fandidiana (césarienne).
Fitsaboana sy fandraisan-tanana azo atao
Miankina amin’ny fahasarotany sy ny antony mahatonga azy ny fitsaboana ny tsy fahampiana lanja na habe eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Anisan’ny atao amin’izany ny :
-Fanaovana « échographie » matetika hanarahana maso ny fitombon’ny zaza ao an-kibo ;
-Fitsaboana ireo tsy fahatomombanana ara-pahasalamana eo amin’ny bevohoka (aretina, diabeta, tosidrà…) ;
-Fialana sigara, toaka sy zavamahadomelina samihafa ;
-Famoahana ny zaza ao an-kibo raha toa ka hita fa tsy mahazo aina izy, eny na dia mbola tsy tonga volana aza.
Fisorohana ny tsy fahampiana lanja na habe eo amin’ny zaza ao an-kibo
Marina fa misy amin’ireo antony mahatonga ny tsy fahampiana lanja na habe eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Misy kosa nefa ireo fisorohana azo atao mba hampihena ny « risques » :
-Fisafoana ara-dalàna mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana ;
-Fifadiana zavamahadomelina, sigara sy toaka ;
-Fihinanana tsara ny pilofera, vitamina sy « acide folique » omen’ny rasazy na dokotera mampisafo ;
Fanaraha-maso ireo areti-mitaiza toy ny tosidrà avo, diabeta…