Bevohoka semposempotra foana toy ny tsy avy miaina : ahoana no atao ?
Toe-javatra mahazo ny bevohoka maro ny fahatsapana semposempotra lava. Na tsy mihetsika aza dia toa tsy avy miaina eo am-pitoerana eo. Fa inona tokoa ny antony mahatonga izany ? Ahoana ny tokony atao hisorohana sy hampitoniana izany ?
Inona ny mahatonga ny bevohoka ho semposempotra foana ?
Raha ny marina dia tsy hoe sempotra ny vehivavy bevohoka fa lasa miha haingana noho ny mahazatra fotsiny ny fomba fiainy (respiration). Maro moa ireo antony mety mahatonga izany :
Mamokatra « hormonina » atao hoe « progestérone » amin’ny tahany ambony kokoa ny vatan’ny bevohoka mba ahalavorary ny fitondrana vohoka. Vokatr’izany anefa dia lasa miha ainga kokoa ny fiaina ka izay no atao hoe « hyperventilation » ka mahatonga ilay fahatsapana semposempotra. Mety mitranga moa izany na vao mitsaika aza ;
Rehefa mitombo ny zaza ao am-bohoka dia potsitra ilay hozatra lehibe atao hoe « diaphragme » eo ambany nonon’ny bevohoka. Rehefa mitranga izany dia lasa teritery ny fiaina. Izany hoe lasa toy ny sarotra ny mampiditra sy mamoaka ny rivotra rehefa miaina ;
Mandritra ny fitondrana vohoka dia miha mitombo ny rà mba hamatiana ny zaza ao an-kibo. Noho izany fitombon’ny rà izany dia lasa miha malaky ny fidoboky ny fo ary miha haingana ihany koa ny fomba fiaina ka mahatonga ilay semposempotra.
Arak’izany dia tsy aretina akory ilay fahatsapana semposempotra mandritra ny fitondrana vohoka. Ny 60% ny vehivavy bevohoka moa dia miaina izany, indrindra rehefa feno 7 na 8 volana eo ny kibo. Amin’ny ankapobeny moa dia tsy misy fiantraikany amin’ny zaza izany ary tsy tokony hisy ahiana amin’ny fahasalamana.
Inona ary no tokony atao manoloana izany ?
Manelingelina ary tsy mampahazo aina ny fahatsapana semposempotra rehefa bevohoka. Satria moa tsy aretina izy io dia tsy misy fitsaboana manokana azo atao hampijanonana izany. Misy kosa nefa ireo torohevitra manampy mba hampitoniana azy :
-Atao malalaka sy maivamaivana ny akanjo anaovana ;
-Atao avoaovo ny ondana rehefa matory mba ahazo rivotra kokoa ;
-Miorirana rehefa matory fa tsy mitsilany ;
-Miezaka mandeha tongotra maraina mba ahazoana rivotra madio sy ampisokatra ny tratra ;
-Manalavitra ny mpifoka sigara ;
-Manao ireny « exercices de respiration » ampianarina any amin’ireny fanaovana « préparation à l’accouchement » ireny ;
Mety ho vokatry ny tsy fahampian-drà na « anémie » ihany koa ny fahatsapana semposempotra rehefa bevohoka. Ilaina noho izany ny fihinanana ara-dalàna ny « fer » sy ny « complément alimentaire » omen’ny mpitsabo na ny rasazy. Tsy adinoina ny mihinana sakafo be « fer ».
Manantona toeram-pitsaboana malaky kosa raha toa ka marary ny tratra, mivonto ny vatana, manjavozavo ny fahitana, voly matetika ny tanana na ny tongotra.