• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « faux travail »

07/10/2025 11:16 © Moov.Mg

Ny fikainkonan’ny tranon-jaza na « contractions » no isan’ny fambara maneho fa akaiky ho teraka ny bevohoka. Ireo « contractions » ireo moa no manampy amin’ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza mba hivoahan’ny zaza ao an-kibo. Misy ihany koa nefa ireo « contractions » mbola tsy mampisokatra ny vozon’ny tranon-jaza, ka izay no atao hoe « faux travail ». Araho eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Inona no atao hoe « faux travail » ?

Ny « faux travail » dia ny fitambaran’ireo fikainkonan’ny tranon-jaza na « contractions utérines » mitranga alohan’ny « travail réel » na ny fiterahana. Io « faux travail » io nefa dia samihafa amin’ny « travail réel » noho izy tsy mitarika fiovan’ny vozon’ny tranon-jaza. Na dia mitovitovy aza ny fahatsapana sy ny fanaintainana aterak’ireo « contractions » mandritra ny « faux travail » ireo dia tsy misy fanovana eo amin’ny vozon’ny tranon-jaza aterak’izany. Rehefa tsy mampalefaka sy mampisokatra ny vozon’ny tranon-jaza nefa ireo fikainkonan’ny tranon-jaza ireo dia tsy afaka manomboka ny fiterahana.

Oviana no mitranga ny « faux travail » ?

Rehefa amin’ny faran’ny fitondrana vohoka no mitranga ny « faux travail ». Izany hoe ny faha 9 volan’ny kibo, eo ho eo amin’ny ora maromaro na andro vitsy alohan’ny fiterahana. Raha toa ka mahatsapa « contractions » manaintaina alohan’ny 37SA dia mety midika « menace d’accouchement prématuré » izany.
Amin’ny ankapobeny dia manditra ny vohoka voalohany no mety mitranga ny « faux travail ». Azo raisina ho karazana fanazarana na fanomanana ho an’ny bevohoka izy io. Tsy ampy hampisokatra ny vozon’ny tranon-jaza ny hamafin’ny « faux travail ».

Ahoana ny fomba fisehon’ny « faux travail » ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy misy fambara manokana hamantarana ny « faux travail ». Mitovy amin’ny « travail réel » ny fomba fisehon’izy io. Izany hoe, marary manaikira ao amin’ny faritra ambanin’ny kibo sy ao ambanin’ny lamosina, misy toy mandrirotra ao anaty kibo…
Mandritra ny fizahana ataon’ny razasy na ny mpitsabo mpampiteraka no hijerena raha « contractions » avy amin’ny « faux travail » na efa fiantombohan’ny fiterahana no tsapan’ilay bevohoka. Raha misokatra 4sm ny vozon’ny tranon-jaza dia mety efa midika izany fa akaiky ho teraka (afaka ora vitsy) ity farany. Marihana moa fa mitana anjara lehibe amin’ny « travail réel » ihany koa ny fipetraky (position) ny zaza ao an-kibo hampizotra ny fiterahana.

Ny fomba atao hampitoniana ny fanaintainana mandritra ny « faux travail »

Raha manao « faux travail » ny bevohoka dia misy ireo torohevitra vitsivitsy manampy mba hampitoniana ny fanaintainana mandritr’izany. Anisan’ny azo atao ny mandro amin’ny rano mafana, manao « exercices de respiration », mihira… Marihana moa fa tsy mitovy ny vehivavy tsirairay ka mety samy manana ny fomba mandaitra hampitoniana ny fanaintainana ateraky ny « faux travail ». Azo andramana tsirairay ireo torohevitra ireo na mikaroka fomba hafa mba hahazoana aina. Raha tena tsy zaka dia mety omen’ny mpitsabo na rasazy fanafody fampitoniana fanaintainana.

Lire la suite

Articles Similaires