• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Fikoloana ny nifin’ny zaza : ireo tsara fantatra mikasika ny « fluor »

09/10/2025 15:13 © Moov.Mg

Rehefa mitombo ny zazakely dia manomboka mipoitra tsikelikely ny nifiny. Misy ireo mpitsabo manokana ny zaza no mandrisika ny ray aman-dreny hanome « fluor », miendrika « comprimés à sucer » na « gouttes », ny zazakely mba hiarovana ny nifin’ity farany. Inona no asan’ny « fluor » ? Mila homena « fluor » ve ny zaza ?

Inona no asan’ny « fluor » ?

Ny « fluor » dia « oligo-élément » mitana anjara lehibe eo min’ny fiarovana ny nify tsy harary (caries) sy amin’ny fanomezana mineraly ny « émail » na ilay fonon’ny nify. Ity farany tokoa mantsy dia voatafiky ny « acide » vokarin’ireo bakteria avy amin’ny sakafo ka mora marefo sy simba. Ilaina arak’izany ny « fluor » noho izy miaro sy mitandro ny fahasalaman’ny nify.
Marihana fa hita ao anatin’ny sakafo sasany ny « fluor », toy ny trondron-dranomasina, ny sira ary ao anatin’ny rano fisotro, toy ireo rano amidy amin’ny tavoahangy. Ankoatra izay dia hita ao anatin’ny « dentifrice fluoré » ihany koa ity « oligo-éléments » ity.

Mila homena « fluor » ve ny zaza ?

Raha toa ka hita anatin’ny sakafo ny « fluor » dia marihana fa tsy ampy hiarovana ny fahasalaman’ny nify ny fatran’izany. Noho io antony io dia misy ireo karazana « fluor » miendrika fanafody « gouttes » na « comprimés à sucer ». Ny zaza sy ny ankizy no tena nomena azy ireny mba hahamafy ny nify sy hisorohana dieny mialoha ny fahasimban’ny nify.
Nanomboka ny voalohan’ny taona 2017 nefa dia noraran’ny OMS ny fanomezana fanafody « fluor » ny zaza latsaky ny 6 volana. Noferana ho ireo zaza sy ankizy mihoatra ny 6 volana izay mety hatahorana ho tratry ny areti-nify irery ihany no homena fanafody « fluor ».
Misy tokoa mantsy ireo vokam-pikarohana nanambara fa raha be loatra ny fatran’ny « fluor », toy ireo azo avy amin’ny fanafody « fluor », dia mety vao maika hamparefo ny fonon’ny nify fa tsy manamafy izany. Izany moa dia miteraka « fluorose », izay miseho amin’ny fisian’ny tasy fotsy na indraindray maramara eo amin’ny nify.

Inona ary no tokony atao hiarovana ny nifin’ny zaza ?

Mandaitra kokoa ny « fluor » ho fiarovana ny nifin’ny zaza raha toa ka hahositra mivantana eo amin’ny nify izy io. Amin’ny alalan’ny fampiasana « dentifrice fluorée » moa no hanatanterahana izany. Vao manomboka 18 volana hatramin’ny 2 taona ny zaza dia ampianarina miborosy nify amin’ny rano fotsiny aloha.
Manomboka ny faha 2 taonany dia efa misy ireo karazana « dentifrices fluorée » izay misy fatrana « fluor » mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy. Izy io no ampiasaina hiborosin’ny ankizy nify mba hahamafy ny fonon’ny nify sy hiarovana amin’ny fahasimbanin’ny nifiny. Zarina miborosy nify indroa isan’andro ny ankizy mba hampandaitra azy io.

Lire la suite

Articles Similaires