• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naturelle Maman
Image
Reny&Zaza

Torohevitra momba ny fikarakarana tadim-poitran’ny zaza vao teraka

11/01/2024 10:13 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo torohevitra re etsy sy eroa mikasika ny fomba fikarakarana ny tadim-poitran’ny zazakely vao teraka. Misy ireo milaza hoe mila fonosina bandy izany ho mora maina. Misy ihany koa ireo manoro hoe hosorana alikaola mba ho sitrana haingana. Ho resahana eto ary ny zavatra tokony atao sy tsy tokony atao amin’ny fikarakarana ny tadim-poitran’ny zaza vao teraka.

Ny tsara fantatra mikasika ny tadim-poitran’ny zaza vao teraka

Rehefa vao latsaka iny mihintsy ny zazakely dia tapahana ny tadim-poitrany. Mihamaina tsikelikely ity farany aorian’ny andro vitsy naterahan’ny zaza. Miova ho lasa volontany (marron) ny lokony ary lasa mivadika tahaka ny kitoza maina. Rehefa maina tanteraka dia miendaka ho azy io tadim-poitra io ka ny iafarany dia lasa toy ny foitrantsika lehibe ny foitran’ny zaza.
Misy fotoana mety (tsy voatery) misy rà kely mandeha amin’ny tadim-poitran’ny zaza amin’ny andro maromaro voalohany avy nahaterahany. Ambina rà avy tamin'ny fifanakalozana tamin'ny ahitra sy ny tsinain'ny zaza izy io ka tsy tokony misy ahatahorana. Amin’ny ankapobeny dia tokony mihintsana ho azy ny tadim-poitran’ny zaza afaka 7 hatramin’ny 15 andro taorian’ny nahaterahany.

Inona no antony hikarakarana ny tadim-poitran’ny zaza vao teraka ?

Araka ny voalaza teo aloha dia mihintsana ho azy ny tadim-poitran’ny zaza afaka 7 hatramin’ny 15 andro taorian’ny nahaterahan’ity farany. Mila fikarakarana manokana kosa nefa izany tadim-poitra izany satria hisy « infections » na aretina raha toa ka tratry ny loto na mikraoba. Raha toa ka misy « infections » ilay tadim-poitra dia ho sarotra maina ary indrindra mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana ho an’ilay zaza.

Ireo mila tandremana mba hisorohana ny « infections » eo amin’ny tadim-poitra

Mba hisorohana ny « infections » mety hahazo ny tadim-potran’ny zaza vao teraka dia misy ireo fitandremana tsara ataon’ny ray aman-dreny amin’ny fikarakarana ny zaza :
-Atao madio hatrany ny tanana rehefa manolo sy manadio ny zaza, indrindra raha mila mikasikasika ny tadim-poitra satria mahatonga mikraoba ny loto entin’ny tanana ;
-Diovina tsara arak’izay atoron’ny rasazy na ny dokotera ny tadim-poitra ;
-Soloina avy hatrany ny zaza rehefa mando na rehefa maloto ny tati-lamba na ny « couches » satria mety mitondra loto eo amin’ny tadim-poitra izany.

Ny fomba atao hikarakarana ny tadim-poitran’ny zaza vao teraka

Mba hahamora maina ny tadim-poitran’ny zaza vao teraka dia toy izao ny fikarakarana tsara atao :
-Ampandroina ny zaza na mbola tsy nihintsana aza ny tadim-poitrany. Rehefa vita ny fampandroana azy dia hamainina tsara amin’ny « coton-tige » maina ity farany. Tandremana ihany nefa mba tsy hilona rano ela loatra ilay tadim-poitra.
-Diovina amin’ny « coton » nolemana rano tsotra ny tadim-poitran’ny zaza amin’ny andro tsy ampandroina azy. Tokony mielanelana iray andro tokoa mantsy ny fotoana ampandroana ny zaza vao teraka.
-Rehefa manadio ny tadim-poitra dia diovina tsara avokoa ny faritra manodidina izany mba hanesorana ny loto rehetra. Atomboka amin'ny fotony ka miakatra hatrany amin'ny tendrony (ilay notapahana). Tsy miverimberina amin’ny faritra efa nodiovina.
-Mila hamainina tsara amin'ny « coton-tige » maina sy madio ny faritra rehetra rehefa avy nodiovina. Azo ampiasaina amin’ny fanadiovana ny tadim-poitran’ny zaza avokoa na rano madio na SSI.

Ireo tsy tokony atao

-Tsy azo hosorana alikaola ny foitran'ny zaza satria tafiditra anatin'ilay lalandrà amin'ilay tadim-poitra iny ka mandeha anaty rà. Sady manaintaina amin’ny zaza izany no lasa ela vao maina ilay tadim-poitra.
-Tsy rakofana tati-lamba na « couche » ny tadim-poitran’ny zaza satria lasa tratry ny hamandoana ka ela vao maina.
-Tsy ilaina ny mamono bandy ny zaza satria manery ny kibony izany ka mety mampandoa sy mampanilana matetika azy. Mora lenan’ny pipy sy ny tain’ny zaza ihany koa ny bandy ka vao maika ela ny fihintsanan’ny tadim-poitra sady mety hitondra loto aminy izany.

Lire la suite

Articles Similaires