• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Reny&Zaza

Ireo vokadratsin’ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka

05/09/2024 11:43 © Moov.Mg

Maro ny zavatra mila fadiana rehefa bevohoka ka anisan’izany ny fisotroana toaka. Mbola misy nefa ireo vehivavy bevohoka mbola minia misotro toaka noho ny tsy fahafantarana ny mety ho vokadratsin’izany eo amin’ny zaza ao an-kibo.

Inona no antony tsy tokony hisotroana toaka rehefa bevohoka ?

Miteraka vokadratsy maro ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka. Ny toaka tokoa mantsy dia tafiditra ao anatin’ny ahitra ary tonga anatin’ny rà ny zaza ao am-bohoka. Mbola mihoatra noho ny tahan’ny alikaola anatin’ny ràn’ny reny ny ao amin’ilay zaza satria ny atin’ity farany dia mbola tsy afaka manala izany toy ny an’ny olon-dehibe. Ny fisian’ny toaka anatin’ny ràn’ny zaza dia mety manankorontana ny fivoaran’ny atidoha ary indraindray mety mahatonga fahasamponana.

Ireo mety ho fiantraikan’ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka

Ny fiantraikan’ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka eo amin’ny zaza ao am-bohoka dia voasokajy anatin’ny atao hoe « ensemble de troubles causés par l’alcoolisation fœtale (ETCAF) ». Eo amin’ny ankizy izy ireo dia mety mahatonga fahasarotana eo amin’ny fianarana, ny fitenenana, ny fitadidiana sy ny fitadidiana. Ankoatra izay dia mety manatara ny « développement moteur » toy ny « équilibre, coordination des mouvements… ». Ireo zaza tratry ny fahasarotana ara-pahasalamana vokatry ny fisotroan’ny reny toaka mandritra ny fitondrana vohoka dia voalaza fa manao « Syndrome d’alcoolisation fœtale (SAF) ».

Ireo fambaran’ny zaza manao « Syndrome d’alcoolisation fœtale (SAF) »

Isan’ireo fambara ahafantarana fa manao « Syndrome d’alcoolisation fœtale (SAF) » ny zaza iray raha toa ka :
-Misy fahatarana ny fitomboana mialoha na aorian’ny fahaterahana. Izany hoe latsaka ny tokony ho izy ny lanjany na ny halavany ;
-Misy tsy fahasamponana eo amin’ny tarehiny. Mety hoe kely loatra ny fisokafan’ny masony, tsy misy ilay mivohitra iny eo anelanelan’ny orona sy ny molotra (philtrum), manify kely ny molotra ambony ;
-Misy olana ara-tsaina mandritra ny fahazazana, toy ny hoe tsy misy fitadidiana, tsy mahavita mifantoka, tsy mahavita miresaka amin’ny hafa, marary saina….

Lire la suite

Articles Similaires