• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpedia
Image
Reny&Zaza

Ny antony mila hinanan’ny bevohoka ody kankana

29/08/2024 14:43 © Moov.Mg

Maro amintsika no mihevitra fa ny ankizy ihany no mila mihinana ody kankana. Raha ny marina nefa dia mila mihinana izany avokoa ny rehetra, na kely na lehibe, eny na ny bevohoka aza. Fa inona tokoa no antony mila hinanan’ny bevohoka ody kankana ?

Inona ny mahatonga ny olona hisy kankana

Mety hisy kankana daholo ny olona rehetra ka izay indrindra no antony tokony hinanana ody kankana na efa lehibe aza na koa mandritra ny fitondrana vohoka. Isan’ireo zavatra mampisy kankana ny rano maloto, ny tany, ny sakafo manta, ny fasika… satria sa mety ahitana atodin-kankana avokoa izany. Raha voaray ny tanana ny zavatra nisy atodin-kankana avy eo mampiditra tanana ao am-bava dia ho tafiditra ao anaty vatana izy ireny ary ho foy. Ny fihinanana sakafo manta misy atodin-kankana na tsy voadio tsara ihany koa dia mety mahatonga izany.

Ny maharatsy ny kankana

Raha misy kankana ny olona iray ka avela ao fa tsy vonoina amin’ny ody kankana izany dia toy izao ny mety hitranga ao anatin’ny vatana :
-Hoanin’ilay kankana ny nofo sy ny rà ka lasa tsy ampy rà sy proteina ilay olona ;
-Misy karazana kankana mety hampandeha rà ny tsinay ka vao maika lasa tsy ampy rà ;
-Lasa sarotra ny maka otrikaina avy amin’ny sakafo noho izy mikiky ny ao anaty. Misy karazana kankana manasarotra ny fandraisan’ny vatana vitamina A ;
-Lasa malain-komana ka lasa mihena, malemilemy, rera-dava ;
-Mety hivalana satria voakorontana ny ao anaty kibo.
Raha toa ka be dia be ny kankana ao anatin’ny vatana dia mety ho mafy kokoa ireo sotritr’aretina miseho eo amin’ilay olona.

Nahoana no mila mihinana ody kankana ny bevohoka ?

Tokony hihinana ody kankana ny bevohoka mba hisorohana ireo vokadratsy ateraky ny kankana ao amin’ny vatana voalaza ireo. Isan’ny tena sorohana amin’izany dia ny tsy fahampiana rà mandritra ny fitondrana vohoka sy ny tsy fahampiana otrikaina maro izay mety hahafaty ny zaza ao am-bohoka.
Rehefa manomboka heno mihetsika ny zaza ao an-kibo no tokony omen’ny rasazy na ny mpitsabo ody kankana ny bevohoka. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny manodidina ny faha 4 volan’ny kibo no hinanan’ny bevohoka izany. Amin’ny fotoana io vao tsy dia atahorana hisy fiantraikany amin’ny zaza ao am-bohoka ny ody kankana.
Marihana fa tsy marina ny fiheverana hoe mankany amin’ny rononon-dreny ny kankana ka mahatonga ny hoe kankanono. Tsy tafiditra ao anatin’ny rononon-dreny ny atodin-kankana satria efa voafantin’ny vatana avokoa ireo singa miditra anatin’izany. Mila miandry ny zaza minono amin’ny reniny ho feno 1 taona kosa vao afaka mihinana ody kankana indray ny mpampinono.

Lire la suite

Articles Similaires